Talata 2 Jolay 2024
Fa tsy hitako izay tsiniko, nefa tsy mahamarina ahy izany ; fa ny Tompo no Mpitsara ahy. 1 Korintiana 4:4
Fa ny zavatra rehetra… dia asehon’ny mazava. Efesiana 5:13
Ny fieritreretana dia nampitahaina tamin’ny famantarana andro avy amin’ny aloky ny masoandro, izay rehefa tarafin’ny masoandro, dia manondro ny ora eo amin’ny mpandalo. Talohan’ny niovantsika fo ho an’i Kristy, ny fieritreretantsika dia tsy nanome fanondroana azo antoka, satria nitoetra tao anaty zavona : ny kolontsaintsika na ny fihevitry ny manodidina antsika dia mety hamitaka ny fieritreretantsika momba ny atao hoe ny tsara sy ny ratsy. Nindramina tamina filoham-panjakana iray izao vazivazy izao : „Ny fieritreretako dia zazavavy tsaratsara ihany, milaza amiko izay zavatra hangatahiko aminy”.
Ny masoandro manazava ny famantarana andro avy amin’ny aloky ny masoandron’ny mpino dia ny Tenin’Andriamanitra, raisina sy takatra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Tsy maintsy hampiharina eo amin’ny toejavatra misy antsika izany Teny izany, mba hanatsarana sy hanazavana ny fieritreretantsika. Tokony hamela mandrakariva ny fahazavan’ny Tenin’Andriamanitra ho tonga ao aminy izy, dia fahazavana velona, manavatsava, mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo (Hebreo 4:12).
Ny apostoly Paoly dia nanambara fa tsy nohamarinina tamin’ny hatsaran’ny fieritreretany izy : ny fieritreretana dia tsy fitaovana manome fatra lavorary, ary na apostoly aza izy, dia tsy niantehitra tanteraka tamin’izany, ary niaiky fa Andriamanitra irery ihany no Mpitsara.
Indrisy anefa fa mety hisy fanirian-dratsy na lolompo navela hitombo, toy ny rahona manakona ny masoandro, manafoana ny fiheverana ny tsara sy ny ratsy. Koa aoka isika hitandrina ny toe-pontsika sy ny fieritreretantsika, hamela ny ahazavan’Andriamanitra hanazava antsika amin’ny alalan’ny Teniny.