Alarobia 3 Jolay 2024
Iray Andriamanitra sady Rain’izy rehetra, Izay ambonin’izy rehetra sy manerana azy rehetra ary ao amin’izy rehetra. Efesiana 4:6
Fa izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny. 1 Jaona 5:3
„Nobeazin’ny ray aman-dreniko tao anaty fivavahana bodista aho. Nefa hatramin’ny fony kely aho dia efa resy lahatra fa tsy maintsy misy Andriamanitra tokana, nahary izao tontolo izao. Tsy ela dia tsapako fa tsy i Bouddha no io Andriamanitra tadiaviko io. Satria ny ankamaroan’ny namako dia silamo, ary hitako fa manana soatoavina izy ireny, koa nitodika tamin’ny finoana silamo aho. Tsy nahafapo ahy ny fivavahana silamo satria nampahita ahy Andriamanitra mianina fotsiny manome didy ho an’ny olombelona sy mandrahona azy ireo rehefa tsy manaja izany izy.
Indray andro, dia nisy namana kristiana iray nitondra ahy mba hihaino ny hafatry ny Filazantsara. Nanohina mafy ahy ilay izy… Tsikelikely teny dia takatro ny atao hoe filazantsaran’ny fahasoavana ary nanapa-kevitra ny hatao batisa aho mba hijoro ho vavolombelona momba ny finoako an’i Jesosy Kristy Mpamonjy ahy.
Tsy mora ny niaina araka ny notadiavin’Andriamanitra. Talohan’ny nahafantarako Azy aho dia nandeha tetsy sy teroa ary tsy nanana afa-tsy fanamby tokana, dia ny hahazo vola. Izany no andriamanitro.
Miaiky aho fa na taorianan’ny nahatonga ahy ho kristiana aza, dia indraindray aho nanadino an’Andriamanitra ary nanao zavatra izay hanenenako ankehitriny. Niaiky ny fahadisoako aho ary navelan’Andriamanitra ny heloko.
Takatro fa ny hahasambatra antsika no antony nanomezan’Andriamanitra didy antsika. Marina fa indraindray dia sarotra harahina izy ireny, nefa miantehitra amin’ny fanampian’i Jesosy aho. Manomboka izao dia izany no vavaka ataoko, tsy te hanaraka intsony ny fahafinaretan’ity izao tontolo izao ity aho, fa i Jesosy Kristy. Izy irery no afaka manome ahy ny tena fahasambarana.”
(Kévin Ta)