Alakamisy 4 Jolay 2024

Fa tsarovinareo… ny teny voalazan’ny Apostolin’i Jesosy Kristy Tompontsika fahiny ; fa efa nilaza taminareo hoe izy : Amin’ny andro farany dia hisy mpaniratsira, mandeha araka ny filan’ny haratsiam-panahiny. Joda 17-18

 

Fotoan-tsarotra

Ny „apostasie” kristiana dia ny fandaozana tanteraka sy am-pahibemaso ny finoana sy ny foto-pampianarana kristiana, ataon’ireo izay nanambara teo aloha fa mahafantatra sy mino ny fahamarinan’ny Baiboly. Izany endrika fandavana izany, nipoitra hatramin’ny fiandohan’ny fivavahana kristiana, dia nitombo nandritra ny taonjato maro ary mbola hitombo hatrany ka hahatratra ny faratampony eo amin’ny olona rehetra, rehefa ho tonga ny Antikristy, „ilay lehilahin’ota… manohitra ka manandra-tena ho ambony noho izay rehetra atao hoe Andriamanitra” (2 Tesaloniana 2:3-4).

Ambaran’ny Baiboly „fa amin’ny andro aoriana dia hihemotra amin’ny finoana ny sasany” (1 Timoty 4:1). Hatao tsinontsinona ny fahamarinana kristiana amin’ny ankapobeny ary holavina izay rehetra momba an’Andriamanitra sy izay rehetra momba an’i Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra. Ny epistilin’i Joda dia mampiseho tsinjo mampivarahontsana momba ny „apostasie”, amin’ny fanoritsoritana ny fihetsiky ny olona manohitra an-kitsirano an’Andriamanitra ao amin’ny fisainany rehetra sy ny teniny ary ny fitondrantenany.

Amin’izao andro ankehitriny izao dia efa tsy misy heviny amin’ny olona marobe intsony ny atao hoe ota. Any amin’ny firenena maro milaza tena ho kristiana, dia hatao ho manara-dalàna ny zavatra voarara teo aloha kely. Naolana ny fahamarinana ka antsoina mihitsy aza hoe tsara izay heverin’Andriamanitra ho ratsy. Ary ho tonga ny fotoana hilazana ny tsara ho ratsy (Isaia 5:20).

Ry kristiana, aoka isika ho mailo mba tsy hanaiky ho voatariky ny baranahiny manodidina. Ary ho toy ny vavolombelona mahatoky amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia aoka isika hampitandrina ny mpiara-belona amintsika fa alohan’ireo fotoan-tsarotra ireo, Andriamanitra dia mbola tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina (1 Timoty 2:4).