Zoma 5 Jolay 2024
(Hoy Jesosy tamin’ilay jiolahy nibebaka :) Lazaiko aminao marina tokoa : Anio no hihaonanao amiko any Paradisa. Lioka 23:43
Fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny làlana izay mankany amin’ny fahaverezana. Matio 7:13
Ny nenitoako dia manao fanazarana ny tena hiasa tsara indray taorianan’ny fandidiana ny taolam-potopeny. Mihamizatra mamindra tsikelikely eo anelanelan’ny tsivalam-by roa izy ary ankehitriny manomboka ny fanazaran-tena manano-sarotra miakatra sy midina zana-tohatra. Rehefa hiakatra dia tsy maintsy ilay tongotra salama aloha no aroso. Mba hitadidiana tsara izany, dia nasain’ilay mpitsabo miteny hatrany izy hoe : „Miakatra any an-danitra aho”. Rehefa hidina indray, dia mifanohitra amin’izany, fa ilay tongotra nodidiana no alefa mialoha, izay tena sarotra kokoa sy mangirifiry kokoa. Nasaina miteny izy hoe : „Midina any amin’ny helo aho”… Mampieritreritra izany, sa ahoana ? Ny olona ve afaka sady miakatra any an-danitra no midina any amin’ny helo ? Na koa, hatraiza no hahafahan’ny olona miakatra, ary hatraiza no hahafahany midina ?
Andriamanitra dia miteny amintsika ao amin’ny Boky masina fa misy tokoa lalana iray hiakarana any an-danitra. Ireo tenin’i Jesosy tamin’ilay jiolahy nibebaka, teo amin’ny hazofijaliana, dia manambara izany mazava. Izany lalana izany dia tsy maintsy mandalo amin’ny fibebahana sy ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, maty noho ny fahotantsika.
Toy izany koa, misy lalana malalaka iray izay mitondra mankany amin’ny fahaverezana mandrakizay. Lazain’ny Tompo ambonin’izany fa maro ireo miditra amin’io vavahady io ka mandeha amin’izany lalana izany.
Aoka isika hametra-panotaniana hoe : eo an-dalana miakatra mankany amin’Andriamanitra Izay te ho Raiko ao amin’i Jesosy ve aho, sa mizotra eo amin’izany fidinana malama hanalavitra ahy aminy mandrakizay any amin’ny toeram-pijaliana tsy misy farany izany ?
Raha mbola velona ianao dia afaka miova lalana, mitodika any amin’i Jesosy Kristy. Ary Andriamanitra dia manolo-tanana anao mba hanampy anao hiakatra manomboka eo amin’ny zana-tohatra voalohany.