Asabotsy 6 Jolay 2024

Finoana no ahafantarantsika fa ny tenin’Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao, ka dia tsy izay zavatra miseho no nanaovana izao zavatra hita izao. Hebreo 11:3

 

Kisendrasendra ve ?

Eo amin’izay ahitan’ny kristiana ny asan’Andriamanitra, dia valiana tsotsotra ihany izy ireo hoe : „Kisendrasendra izany”. Maro amin’ny mpiara-belona amintsika tokoa mantsy no mihevitra fa izao tontolo izao dia niforona tamin’ny kisendrasendra noho ireo fiovana sy ny fivoarana, ka tsy nisy sitrapo hahary niasa. Tsy hitany ao ny asan’Ilay Andriamanitra Mpahary, araka izay nampahafantariny anefa.

Tsy misy resaka hoe fandavana ny fivoarana sasantsasany na fakam-bolotanin’ny sokajin-javamananaina, fa tsy ampy io lahateny lazaina ho „ara-tsiansa” io. Tsy manazava ny fiampitan’ny „tsy misy” ho amin’ny „misy” izany, na ny fahasaro-takarin’ny zavamisy sy ny hatsaran’izao rehetra izao, toy ny aina. Ny milaza fa ny kisendrasendra no namorona nandritra ny arivo taona maro izao zavamisy ankehitriny izao, dia midika hoe mino fa raha manipy eny ambony eny taratasy an’arivony dia mety hilatsaka amin’ny endrika rakibolana izy ireny.

Mety hisy toejavatra miteny amintsika ihany koa : fihaonana tsy nampoizina, loza nitranga nidifiana. Ny kristiana dia mety mahatakatra izany ho famantarana avy amin’Andriamanitra.

Na ny kisendrasendra aza dia fehezin’Andriamanitra. Zana-tsipìka nalefa anjoanjo no nahafaty an’i Ahaba mpanjaka araka ny efa nolazaina mialoha (1 Mpanjaka 22:34).

Aoka isika tsy hiantso porofo ny kisendrasendra mba tsy hihainoana ny antson’Andriamanitra. Tsy manery Izy fa misintona kosa ny saintsika, indraindray amin-kery, amina onja misafoaka, amina tsimok’aretina faran’izay bitika izay manakorontana izao tontolo izao. Ny Teniny, izay raisina amin-kamoram-po, dia manan-kery hamonjy ny fanahintsika (Jakoba 1:21).