Alatsinainy 8 Jolay 2024
Ny Mpanao ny sofina va tsy handre ? Ny Mpamorona ny maso va tsy hahita ? Salamo 94:9
Ny mason’i Jehovah amin’izao rehetra izao, mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy. Ohabolana 15:3
Lazaina matetika fa manana fihetsika adaladala ny ostritsa : rehefa tandindomin-doza izy dia afeniny ao anaty fasika ny lohany, toy ny hoe rehefa tsy mahita na iza na iza izy dia lasa avokoa ny zava-mampatahotra rehetra. Nefa ireo nandinika akaiky ireny vorona ireny dia mahalala fa diso izany. Raha manitrika ny lohany ao anaty fasika tokoa mantsy ny ostritsa dia tsy misy ifandraisany amin’ny tahotra tsy akory izany : rehefa matahotra izy dia mandositra amin’ny hafainganam-pandeha mahatratra 90 km isan’ora !
Fa misy olona maro manana io fihetsika iampangana diso ny ostritsa io. Mihevitra izy fa afaka miala amin’ny fijerin’Andriamanitra, satria hoe tsy hitan’izy ireo Izy. Manampin-tsofina izy mba hanakanany an’Andriamanitra tsy hiteny amin’ny fieritreretany, amin’ny alalan’ny Baiboly na amina fomba hafa.
Ny tsy firaharahaina izay tadiaviny amintsika tokoa mantsy dia tsy manova na inona na inona amin’izay takiany. Tsy hoe satria mbola nahemotra ny didim-pitsaran’Andriamanitra ka noho izany dia tsy hihatra na oviana na oviana ! Ny Tenin’Andriamanitra dia manambara hoe : „Tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana” (Hebreo 9:27).
Mitaona antsika Andriamanitra mba hanana herim-po sy fahitsiana eo anatrehany. Aoka isika hamoaka ny lohantsika, ho tonga saina fa Andriamanitra dia mahita hoe meloka isika ka tsy ilaina ny miafina toy ny nataon’i Adama sy Eva tao amin’ny saha Edena (Genesisy 3:8). Raha miaiky ny fahadisoantsika amin’Andriamanitra isika ary mino an’i Jesosy Kristy sy ny sorona nataony ary ny fitiavany antsika, dia hovonjena isika. Tsy hanameloka antsika araka izay mendrika antsika tsy akory Andriamanitra, fa hanome antsika ny fiainana mandrakizay kosa. Aoka hojerentsika miatrika ny zavatra rehetra. Ilay Andriamanitra Izay tiantsika hialàna dia tsy mitady afa-tsy ny hahasoa antsika !