Talata 9 Jolay 2024

Jehovah mbola namaly an’i Joba nanao hoe : Manan-tsandry tahaka ny an’Andriamanitra va ianao ? Joba 40:1, 9

Ary Joba dia namaly an’i Jehovah ka nanao hoe : Fantatro fa hainao avokoa ny zavatra rehetra… Koa dia nilaza izay tsy fantatro aho, dia zava-mahagaga loatra amiko, izay tsy takatry ny saiko. Joba 42:1-3

 

Valintenin’Andriamanitra tamin’i Joba

Joba dia mpino misongadina. Nafoiny tao anatin’ny indray alina anefa ny fananany rehetra sy ny zanany folo mianadahy. Avy eo dia simba ny fahasalamany. Tonga „nampionona” azy ny namany, nefa tsy nanao afa-tsy ny nampitombo ny fahoriany, tamin’ny nilazany fa nofaizin’Andriamanitra izy. Toko lava maro no mitantara amintsika ny fikomiana anaty tao amin’i Joba sy ny adi-heviny tamin’Andriamanitra…

Tsy nanan-kalahatra intsony i Joba ka nangina.

Miteny Andriamanitra. Saingy mahagaga fa tsy mamaly mivantana ny fiampangan’i Joba Izy ary tsy mitady hanamarina ny fizahan-toetra navelany hitranga…

Tsy mandaha-teny momba ny fahoriana ihany koa Andriamanitra. Rehefa nametraka ireo fanontaniana mafana ilay olona nohariany, dia novaliany tamin’ireo endrika maro eo amin’ny voary, izay mitory ny fiandrianany amin’ny maha Andriamanitra Azy. Koa dia tsapan’i Joba ny maha tsinontsinona azy eo anatrehan’Ilay Andriamanitra tena lehibe tokoa. Takany ny fahadalan’ny fiampangany, ary niaiky izy fa nisalasala tamin’ny fahendrena sy ny fahamarinan’ny asa nataon’Ilay Avo Indrindra. Avy teo dia niteny farany i Joba, nibebaka, niankohoka, nitsaoka (Joba 42:1-6).

Ao amin’ity boky ity, izay maneho mivantana tokoa ny resaka fahoriana, ny fehin-kevitra dia zava-dehibe ho antsika. Andriamanitra dia lehibe lavitra noho ny olona, ary ny fomba fiasany dia lavorary (Joba 33:12-13).

Fa ny Testamenta Vaovao kosa dia mitondra fanamarihina mazava : ny fizahan-toetra dia tsy avela hitranga raha tsy efa ilaina izany. Andriamanitra dia mampiara-miasa ny zavatra rehetra, tsy misy ankanavaka, mba hahasoa izay tia Azy. Tsy misy fizahan-toetra hahasaraka antsika na oviana na oviana amin’ny fitiavan’Andriamanitra (Romana 8:28, 35-39).