Alarobia 10 Jolay 2024
Tamin’ny andro fahatelo dia nisy fampakarambady tao Kana any Galilia… Ary Jesosy… koa dia nalainy ho ao amin’ny fampakarambady. Jaona 2:1-2
Ity tantara ao amin’ny filazantsaran’i Jaona ity dia maneho sehom-piainana andavanandro, izay mampahatsiahy antsika fa Jesosy dia niaina fiainan’olombelona nandritra ny telopolo taona, teo anivon’ny mpiara-belona taminy. Nisy fampakarambady tao amin’ny tanàna kely iray nifanila tamin’ny tanàna nahalehibe an’i Jesosy. Voasa hankao i Maria sy Jesosy zanany ary ny mpianany. Ity tantara ity dia voasoratra ao amin’ny fiandohan’ny Filazantsara, mbola tsy fantatra araka izay hahafantarana Azy bebe kokoa mandritra ny telo taona hanaraka Izy. Tamin’ity lanonana ity Izy no hanova ny rano ho divay, nanomboka nampiseho ny maha Andriamanitra Azy sy ny fahefana maha Mpahary Azy : „Izany no nataon’i Jesosy tao Kana any Galilia ho voaloham-pamantarana, ka nasehony ny voninahiny” (Jaona 2:11).
Ity tantara ity dia manome fampianarana tsotra sy azo tsapain-tanana ho an’ny kristiana : moa ve Jesosy „voasa lalandava” eo amin’ireo trangam-piainanantsika mahafaly, fivoriam-pianakaviana, toejavatra mitranga eo amin’ny fiainana tiantsika hihaonana ? Mora kokoa amintsika ny mihevitra Azy ao anatin’ny fotoana mampangirifiry na mampahory eo amin’ny fiainana, fa Jesosy kosa dia Tompon’ny toejavatra rehetra mitranga eo amin’ny fiainantsika, ary tokony hanana ny toeram-boninahitra eo amin’ireny fotoam-pifaliana ireny. Tsy „manimba ny lanonana” tsy akory ny fanatrehany, mifanohitra amin’izany aza. Manatsara kokoa sy mampahafaly kokoa, manome hafaliana lalina, tena izy ary maharitra, izany. Mitondra am-bavaka mialoha ireny fotoana ireny, manokatra ny Tenin’Andriamanitra, mihira fiderana ny Tompo, izany no ahatsapantsika ny fanatrehany sy ny fiasan’ny heriny mahasambatra. Ny maha hafa ireny fotoana ireny amin’ny lanonana tsy misy an’Andriamanitra, dia hitoetra ao amintsika ny fahatsiarovana mahafaly hameno fankasitrahana antsika.