Alakamisy 11 Jolay 2024

Raha maharitra amin’ny teniko ianareo (hoy Jesosy), dia ho mpianatro tokoa ; ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo. Jaona 8:31-32

Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra. Asan’ny Apostoly 10:34

 

Teny filamatra manana tendro kristiana

Ny fahafahana, ny fitoviana ary ny firahalahiana no mandrafitra ny teny filamatr’i Frantsa. Raha mba afaka miaina araka ireo foto-kevitra ireo avokoa moa isika ! Arivo taona maro lasa izay, Andriamanitra dia efa nametraka ireo ho anisan’ny tetik’asany ho antsika olona. „Enga anie ka hihaino Ahy ny oloko”, hoy Izy ao amin’ny Baiboly (Salamo 81:13). Ndao àry hojerena ny amin’izany :

— „Fahafahana” : Ao amin’ny Filazantsara, Jesosy Kristy dia maneho ny tenany ho Ilay Mpanafaka lehibe. Tsy mamela antsika ho diso fiheverana momba ny amintsika Izy, mampiseho mazava tsara fa ny fandavantsika hampiditra an’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika sy hankatò ny Teniny no nahatonga antsika ho andevon’ny ratsy. Nefa manome antsika ny fanalahidy mba ho afaka tsy ho andevo sy hiaina amin-kalalahana ihany koa Izy. Izay mino Azy dia anambarany ny fanafahana.

— „Fitoviana” : Mahatsapa ve ianao fa mitovy avokoa isika rehetra ? Marobe ny tsy rariny misy eto amin’izao tontolo izao ! Na any amin’ireo firenena mihambo ho mandroso indrindra aza ! „Araka ny mampatanjaka na mampahantra anao no hitsarana anao ho fotsy na mainty”, hoy i La Fontaine : hotsaraina hoe tsara na ratsy ianao. Tsy mba toy izany kosa ny an’Ilay Mpitsara ny olona rehetra, dia Andriamanitra. Izy dia tsy mba matahotra an’iza na iza ary tsy manavakavaka. Ambarany fa meloka eo anatrehany avokoa ny olona rehetra, nefa koa te hamindra fo amin’ny rehetra Izy. Avelany heloka izay miaiky ny fahamelohany, ny fahadisoany, satria efa nentin’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana ny tambin’izany.

— „Firahalahiana” : Ireo izay manaiky ny sorona nataon’i Jesosy ho azy ireo dia ataon’Andriamanitra ho zanany, rahalahy sy anabavy. Tiany ny hampiray azy ireo sy hameno ny banga eo aminy, ny hanome azy fiainam-pianakaviana tena izy. Tsy mba mampitsiriritra anao ve izany ?