Zoma 12 Jolay 2024
Simona Petera… niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesosy… ka nanao hoe : Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho. Fa talanjona izy… noho ny haben’ny hazandrano izay azony… Dia hoy Jesosy tamin’i Simona : Aza matahotra ; hatramin’izao ankehitriny izao dia olona kosa no ho azonao. Lioka 5:8-10
Simona Petera dia mpanarato teo amin’ny farihin’i Tiberiasy. Indray andro Jesosy dia nindrana ny sambokeliny mba hiresahana moramora kokoa amin’ny vahoaka nitangorona teo amoron-drano (Lioka 5:1-11). Avy eo Izy dia nitaona an’i Simona hitondra ny sambokeliny any amin’ny lalina sy handatsaka ny haratony. Na dia nanarato nandritra ny alina aza i Simona nefa tsy nahazo na inona na inona, dia nankatò an’i Jesosy izy. Koa dia feno ny haratony ka triatra, ary nilentika noho ny vesatry ny hazandrano tamin’ity fanaratoana mahagaga ity ny sambokely.
Koa dia tsapan’i Simona fa Ilay afaka nampisy ny hazandrano tao anatin’ny haratony, tamin’ny antoandro be nanahary, dia tsy iza fa Andriamanitra, Ilay Mpahary. Raiki-tahotra izy ary niantoraka teo an-tongotr’i Jesosy, niaiky ny maha mpanota azy sy nangataka taminy ny hialany aminy. Fa vao mainka Jesosy nijanona niaraka taminy sy nampahery azy. Hataony ho „mpanarato olona” izy ka hanaraka Azy hitory ny Filazantsara.
Izany tantara izany dia mampiseho ny fomba fiasan’ny fahasoavan’Andriamanitra ao amina olona iray. Ny zavatra voalohany ateraky ny fahasoavana dia tsy fifaliana lehibe tsy akory, fa ny fahatsapana ny halehiben’ny ota. Manao izany amin’ny fomba lalindalina kokoa noho ny nataon’ny Lalànan’i Mosesy fahiny izy. Ny Lalàna dia nameno tahotra ny olona teo anatrehan’Andriamanitra, ary nampijanona azy teny lavitra teny (Eksodosy 19:16-25). Mifanohitra amin’izany kosa, ny fahasoavan’Andriamanitra, naseho tao amin’i Jesosy, dia maneho ny toerana mampamoy fo misy ny olona mpanota, nefa misintona azy hanatona an’Andriamanitra.
Izany fahasoavana izany no nanintona tsy hay tohaina an’i Simona Petera hanatona an’i Jesosy. Nandao ny zavatra rehetra izy ary nanaraka Azy (Lioka 5:11).