Asabotsy 13 Jolay 2024

Mifananara isanandro… fandrao hisy aminareo ho tonga mafy fo noho ny famitahan’ny ota. Hebreo 3:13

Jehovah ô, velomy aho araka ny teninao. Salamo 119:107

 

Miaina mba ho an’Andriamanitra

„Ny zava-bita tsara tamin’ny lasa dia tsy maminavina mialoha ny zava-bita tsara hoavy”. Izany no fampitandremana nomena tao anatin’ny antontan-taratasy rehetra manolotra petra-bola !

Ny Baiboly dia manome ohatra momba izany ao amin’ny tantarana mpanjakan’i Joda iray, tany Israely (2 Tantara toko 14 hatramin’ny 16).

„Ary Abia lasa nodimandry any amin’ny razany, dia nalevina… Ary Asa zanany no nanjaka nandimby azy. Ary tamin’ny andron’i Asa dia nandry folo taona ny tany. Ary Asa nanao izay tsara sy mahitsy eo imason’i Jehovah Andriamanitra ; fa nandrava ny alitaran’ny firenena hafa sy ny fitoerana avo izy sady nanorotoro ny tsangambaton-tsampy… Ary nandidy ny Joda hitady an’i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy ary hankatò ny lalàna sy ny didy” (13:23 ; 14:1-3).

Asa dia taranaka ray sy raibe tsy nahatoky loatra an’Andriamanitra, nefa nisafidy ny hanao izay ankasitrahin’Andriamanitra izy. Nesoriny ny tsangambaton-tsampin’ireo andriamani-tsy izy, ary nitady Ilay Andriamanitra marina izy. Rehefa nanafika azy ny tafiky ny fahavalo iray, dia natoky Azy izy. Na dia mahatoky aza izy dia notandindomin-doza ihany, koa dia nirahin’Andriamanitra ho eo aminy ny mpaminany iray, ary nihaino azy i Asa mpanjaka.

Mety hihevitra angamba hoe taorianan’ireo taona maro rehetra ireo, i Asa dia nanana „antoka” fa ho tsara fiafara ny fiainany miaraka amin’Andriamanitra. Saingy, rehefa notandindomin-doza hafa indray izy, dia nanapa-kevitra, tamin’ity indray mandeha ity, hitady vonjy tany amina mpanjaka mpanompo sampy iray, ary nandefa tany an-tranomaizina ilay mpaminany nirahina hampitandrina azy ny amin’ny ho vokatry ny fanapahan-keviny.

Tamin’ny fiafaran’ny fanjakany, dia narary izy, nefa tsy nitady an’Andriamanitra fa ny mpitsabo ihany.

Mampahatsiahy antsika izany tantara mampalahelo izany fa ny fatokiana an’Andriamanitra dia tsy hoe efa azo na oviana na oviana. Tsy maintsy kolokoloina ny faniriantsika hiaina mba ho Azy sy miaraka aminy, izany no hany fiainana mendrika hiainana.