Alahady 14 Jolay 2024

Mino aho fa Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra, Ilay ho tonga amin’izao tontolo izao. Jaona 11:27

Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona. Matio 16:16

 

Ny fanekem-pinoan’ny apostoly (2) : Mino an’i Jesosy Kristy, Zanaka Lahitokan’Andriamanitra, aho

Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra hoe ? Maro tamin’ireo mpiara-belona taminy no resy lahatra tamin’izany, rehefa nahita ny hery mihoatra ny vitan’olombelona niseho teo aminy. Na ilay kapiteny romana voatendry hanara-maso ny fanomboana Azy teo amin’ny hazofijaliana aza dia tsy maintsy niaiky hoe : „Marina tokoa fa Zanak’Andriamanitra io Lehilahy io” (Marka 15:39). Ny Testamenta Vaovao dia manambara maherin’ny in-jato izany „maha mpianaka” an’Andriamanitra sy Jesosy Kristy izany.

Ny Zanak’Andriamanitra dia antsoina hoe „ny Teny” Izay „Andriamanitra” ary „tao amin’Andriamanitra”. „Ny Teny dia tonga nofo” (Jaona 1:1, 14). Jesosy dia natera-behivavy, i Maria, izay nalofan’ny Fanahy Masina (Lioka 1:35). Ny teny hoe „Zanak’Andriamanitra” dia mampiseho ny fitoviana eo amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy, ny fifamatorana mampiray azy ireo, ny toetra maha Andriamanitra ananan’izy ireo miaraka, ny fitiavana ifampizarainy toy ny ray sy ny zanany.

Raha miteny amintsika ny Baiboly fa Andriamanitra te hanangana ho zanany ireo izay mino an’i Jesosy, dia ambarany ihany koa fa Jesosy no Zanany Lahitokana (Jaona 1:18), satria Izy irery ihany no afaka mitaky fifandraisana toy izany amin’Andriamanitra.

Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, dia nidina avy any an-danitra mba haneho amintsika an’Andriamanitra, dia Izy Izay „fahafenoan’Andriamanitra” (Kolosiana 2:9) !

„Izaho mino an’i Jesosy Kristy maty mba hampihavana ahy amin’Andriamanitra. Izaho mino ireo fanambarana lazain’ny Baiboly momba ireo nahita Azy velona indray taorianan’ny nanomboana Azy teo amin’ny hazofijaliana : nitsangana velona indray Izy ary nampiakarina any an-danitra, nanambara ny fiaviany tsy ho ela. Mino ireo aho ary manaiky an’i Jesosy Kristy ho Tompoko, Ilay ametrahako ny fiainako manomboka izao, satria fantatro fa Andriamanitra lehibe tokoa no mendrika hitantana sy hikarakara izany !”