Alatsinainy 15 Jolay 2024
Koa dia iraka solon’i Kristy izahay, toa an’Andriamanitra mampangataka anay aminareo, solon’i Kristy izahay ka mangataka indrindra aminareo hoe : mihavàna amin’Andriamanitra anie ianareo. 2 Korintiana 5:20
Ny dipilaomasia dia hahafahana misoroka ny fampiasan-kery sy ny fifandirana eo amina samy firenena. Ireo masoivoho, izay misolo tena ny firenany, dia manana fifandraisana tsy tapaka amin’ny mpitondra fanjakana any amin’ny firenen-kafa. Rehefa mihahenjana ny fifandroritana eo amina firenena roa, ireo masoivoho dia miezaka mba hisoroka ny mety hisian’ny ady ary manolotra vahaolana mampihavana. Rehefa tsy mandaitra izany ezaka izany dia tsy azo ialana ny ady. Koa ny fitondram-panjakana tsirairay dia mampody ny masoivohony mba tsy hijanonany any amina firenena fahavalo mandritra ny fifandirana.
Ny kristiana dia iraka solon’i Kristy ; nandray ny anjara asa fanirahana lehibe hisolo mandritra ny fotoana voafetra eto an-tany Ilay Lehibeny any an-danitra izy, ary hampita amin’ny olona rehetra ny tolotra fihavanana avy aminy. Tsy misy fifanarahana ambadika na marimaritra iraisana izany, fa tolotra fampihavanana tsy misy fepetra izay ampy ny manaiky azy fotsiny izao. Ny hany fototra iorenan’ny fampihavanana ny olona amin’Andriamanitra dia ny asa notanterahin’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana. Teo Jesosy no nandray ny toeran’ireo rehetra mino Azy ary nahazo ny fankasitrahana sy ny famindrapon’Andriamanitra ho mandrakizay.
Fa ho avy kosa ny fotoana hitsaharan’ny fahari-pon’Andriamanitra, ary ny famindrampo dia hisolo ho fitsarana sy fahamarinan’Andriamanitra. Amin’izany andro izany, mandritra ny fotoana fohy, Kristy dia hampody any aminy ireo masoivohony rehetra : ho vita ny asa fanirahana nankinina tamin’izy ireo.
Anio, tsy miandry fotoana ela kokoa intsony, no tokony hanaiky ny tolotra fampihavanana avy amin’Andriamanitra. Koa dia hanjary iraka solon’i Kristy etỳ an-tany ianao, mialohan’ny hamonjenao ny tanindrazany, izany hoe ny lanitra.