Talata 16 Jolay 2024
Jehovah hitari-dàlana anao mandrakariva sady hahavoky ny fanahinao ao amin’ny tany karankaina aza sy hampahatanjaka ny taolanao ; dia ho tahaka ny saha vonton-drano ianao. Isaia 58:11
Amin’izao fotoana izao dia nanjary maintimainty ny voatabia namboleko ary nihintsana. Rehefa nataoko ny fikarohana maimaika, dia gaga aho nahafantatra fa tsy aretina no nahazo azy ireo fa tsy fahatomombanan’ny fanondrahana azy ! Ny „fahafatesan-tsela an-doha lela” nahazo ilay voatabia, amin’ny ankapobeny, dia vokatry ny tsy fahampiana na fahabetsahan’ny rano. Izany koa aza dia vokatry ny tsy firaharahain’ny mpamboly, izay rehefa nanadino azy nandritra ny andro maromaro, dia te hanonitra izany amina fanondrahana be loatra azy.
Izany rehetra izany dia mampahatsiahy ahy ny „fanondrahana” ny fanahin’ny kristiana. Mila fikarakarana tsy miato sy isam-potoana isika. Raha manao tsinontsinona ny fifandraisantsika amin’ny Tompo mandritra ny andro maromaro isika, dia tsy hahonitra ny fotoana very ny fanokanana andro iray ho Azy.
Fahiny, ny Israelita dia tsy maintsy nanangona isanandro ny mana —sakafo mahagaga nalefan’Andriamanitra isanandro tany an-taniefitra- „samy araka izay fihinany avy” (Eksodosy 16:21). Izany mana izany dia maneho ny Tompo Jesosy, Izay tena mofo nidina avy any an-danitra. „Izaho no mofon’aina”, hoy Izy, „izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony” (Jaona 6:35).
Andriamanitra dia maniry „hanondraka” antsika tsy tapaka sy hamoky ny fanahintsika isanandro. Aoka isika tsy handà ny hisotro isanandro izany rano avy any an-danitra izany, amin’ny alalan’ny Baiboly, izay Teniny.
„Aoka tsy hiala amin’ny vavanao ity bokin’ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman’alina… dia hambinina [ianao]” (Josoa 1:8).