Alarobia 17 Jolay 2024
Samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra. Romana 3:23
Ny fahasoavana sy ny fahamarinana… dia tonga tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Jaona 1:17
„Nanjary kristiana aho teo amin’ny faha-15 taonako. Herintaona taorianan’izany dia nino ny Tompo Jesosy ny reniko. Ny raiko kosa tsy mba te handre ny amin’izany”resaka fivavahana„izany. Teo amin’ny faha-84 taonany anefa dia nahatiliana aretina efa tonga amin’ny dingana farany izy. Indray andro dia niantso ahy izy, tamim-peo feno tebiteby :
— Niantso anao aho mba hanao veloma anao.
Nankany aminy haingana araka izay azoko natao aho ary afaka nitondra azy tany amin’ny tobim-pitsaboana hanaovana fandidiana azy ny ampitso. Ny maraina, talohan’ny fandidiana, dia afaka niara-namaky teny maromaro tao amin’ny epistily ho an’ny Romana izahay, izay miresaka momba ny otan’ny olona sy ny famonjena maimaimpoana atolotr’Andriamanitra. Fantatro fa nanafintohina ny raiko ny antsoina hoe mpanota. Nisy ampahiny tao amiko te hanafina izay ambaran’io teny ao amin’ny Baiboly io momba ny ota, saingy tiako ny raiko, ary tsy te hanafina na inona na inona taminy aho.
Taorianan’ny famakianay teny dia nijery azy aho ary nanontany azy hoe :
— Dada a, efa niaiky ny fahotanao ve ianao ary nangataka tamin’i Jesosy Kristy mba hamela ny helokao ?
— Tsia… hoy izy, avy eo niato elaela izy. Ary notohiziny ny teniny, hoe : nefa heveriko fa fotoana tokony hanaovako izany izao.
Tsy nampino ahy izany ! Tamin’io andro io dia voalohany teo amin’ny fiainany ny raiko no nivavaka tamim-peo avo. Niaiky ny fahotany izy ary nametraka ny fatokiana tamin’i Kristy tamin’io maraina io, mialoha indrindra ny nandidiana azy. Nahomby izany fandidiana azy izany. Noho ny famindrampony dia mbola nomen’Andriamanitra tombon’andro dimy taona izy. Ny vadiko sy ireo zanako vavy, ny rahalahiko ary ny tenako dia teo anilany rehefa nandao ity tontolo izao ity izy, tam-piadanana, mba ho any amin’i Jesosy.”
Araka i Randy A.