Alakamisy 18 Jolay 2024

(Hoy Jesosy :) Na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay ; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay. Jaona 4:14

 

Tsy maintsy namakivaky an’i Samaria Jesosy

Tsara vakina : Jaona 4:1-42

Ny mandalo an’i Samaria no lalana fohy indrindra ankanesana avy ao Jodia (any atsimon’Israely) mankany Galilia (any avaratra). Saingy ny Jiosy dia tsy mandalo firy ao amin’io faritra io, izay noheveriny ho „voaloto” noho ny fiaviana sy ny fivavahan’ny mponina ao aminy. Naleony nanodidina tokony ho 40 km eo ho eo tany amin’ny lemak’i Jordana. Noheveriny ho vahoaka tsy mendrika ny Samaritana.

Nefa ato amin’ity toko ao amin’ny filazantsaran’i Jaona ity, Jesosy dia tsy maintsy nandalo an’i Samaria. Tsy maintsy nihaona tamina olona iray Izy, olona izay marina fa tompon’andraikitra tamin’ny toerana sarotra nisy azy, nefa niandrandra fahasambarana sy fiadanana. Jesosy dia teo akaikina fantsakana iray tamin’ny mitataovovonana, fotoana mafana indrindra amin’ny andro, ka, raha ny mahazatra, dia tsy misy olona mantsaka eo, ary niresaka tamin’ity vehivavy ity Izy, zavatra tsy azo natao noho ny toejavatra niainana. Izy, Izay lehilahy jiosy, dia liana tamin’ny toerana nisy ity vehivavy Samaritana ratsy laza ity, satria nangoraka mafy azy sy te hanova ny fony. Nambarany taminy fa Izy no loharanon’aina sy ny fiainana mandrakizay. Ity vehivavy ity no ho vavolombelona voalohany teo amin’ireo Samaritana. Izy ireo dia hanambara, rehefa nandre an’i Jesosy, hoe : „Fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao” (Jaona 4:42).

Jesosy dia mbola mitady mandraka ankehitriny ireo olona natao tsinontsinona, nalilikilika, vahiny, noroahina, nankahalaina, satria tia azy ireny Izy.