Zoma 19 Jolay 2024

Hoy Jesosy taminy : Izaho no mofon’aina ; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony. Jaona 6:35

Dia hoy ireo : Tsy Ilehio va no Jesosy, Zanak’i Josefa… ? Ahoana no dia anaovany ankehitriny hoe : Izaho nidina avy tany an-danitra ? Jaona 6:42

 

Mivoky an’i Jesosy

Jesosy dia nilaza ireo teny eo ambony amin’ity takila ity, ny ampitson’ny andro namokisany olona 5000 tamin’ny fomba mahagaga, teo amoron’ny ranomasin’i Galilia. Izany fahagagana izany, lazaina hoe „fampitomboana ny mofo”, dia nanambara fa Jesosy no Ilay hany afaka mamaly ny filantsika aina sy fiainana mandrakizay.

Ireo olona niresaka tamin’i Jesosy dia vonona tokoa ny hovokisany mofo, fa ny hanaiky hoe Jesosy no ilay mofo velona nidina avy any an-danitra, dia zavatra tsy azo ekena ! Zanak’i Josefa no nahafantarany Azy, fa tsy Ilay Zanak’Andriamanitra nidina avy any an-danitra.

Noho izany dia nandeha lavidavitra kokoa Jesosy : „Ny mofo izay omeko azy dia ny nofoko ho fiainan’izao tontolo izao” (Jaona 6:51). Tafahoatra loatra izany ho an’ireo olona nihaino Azy ! Aiza koa e, ny zanak’i Josefa dia tsy ho afaka hanome fiainana mandrakizay !

Ny antsoin’i Jesosy hoe „nofo” dia tsy hoe ny raha ao amin’ny tenany tsy akory, fa Izy tenany mihitsy amin’ny maha olona Azy. „Ny Teny dia tonga nofo” (Jaona 1:14). Rehefa miresaka Izy hoe manome ny nofony, dia mampahatsiahy ny fahafatesany Izy, ny fanomezany ny ainy. Ny finoana dia tsy mahita an’i Jesosy ho „Ilay mofo velona nidina avy any an-danitra” fotsiny ihany ; izany hoe ny maha avy any an-danitra Azy. Fa ny finoana dia mahafantatra Ilay namakivaky ny fahafatesana mba haharesy azy ho an’ireo mino Azy. Ny „mihinana ny nofo sy misotro ny ran’i Jesosy” dia mariky ny finoana marina sy lalina. Izany dia ny mino fa Jesosy dia tonga olona ho ahy, maty ho ahy. Tamin’ny ainy natolony, tamin’ny rany nalatsany, dia namafa ny fahotana rehetra vitako tamin’Andriamanitra Izy. Izany no zava-miafina sy voninahitry ny hazofijaliana !