Asabotsy 20 Jolay 2024

Nampahorina Izy… tahaka ny zanak’ondry entina hovonoina. Isaia 53:7

… Nanavotana anareo… ny ra soan’i Kristy, toy ny ran’ny zanak’ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina. 1 Petera 1:18-19

Ny Zanak’ondry, Izay novonoina, dia mendrika handray… haja sy voninahitra ary saotra. Apokalypsy 5:12

 

Famakiana teny tany am-ponja

Vao nogadraina tany am-ponja i Thierry. Niaina ireo fotoana voalohany tena mafy any am-pigadrana izy. Nandre izy fa misy mpikarakara fanahy afaka mitsidika azy, koa nanao fangatahana maika momba izany izy. Nandritra io fitsidihina io, Thierry dia nangataka Baiboly taminy, ary nilaza fa hamaky izany hatrany amin’ny voalohany ka hatrany amin’ny farany. Manam-potoana anaovana izany tsara izy ! Telo herinandro tatỳ aoriana dia niverina nitsidika azy tao amin’ny efitranokeliny ilay mpikarakara fanahy.

— Voavakinao manontolo ve ny Baiboly ?

— Voavakiko manontolo nanomboka tany amin’ny Genesisy ka hatrany amin’ny Apokalypsy, fa inona izao no hataoko aminy ?

— Lazao ahy izay voatazonao tamin’izay famakiana voalohany izay.

— Voamariko fa matetika dia matetika no iresahana zanak’ondry. Vao any amin’ny Genesisy, izay naneken’i Abrahama hanao fanatitra ny zanany toy ny zanak’ondry, talohan’ny nanakanan’Andriamanitra ny tànany. Avy eo, ao amin’ny Eksodosy, izay nanaovan’ny zanak’Israely fanatitra zanak’ondry ho an’ny Paska. Mbola hitako tany amin’ny Filazantsara ihany koa izany, izay iresahana momba ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, ary hatrao amin’ny Apokalypsy, ny boky farany aza. Fisainana tokana an’Andriamanitra ihany ve no mamakivaky ny Baiboly manontolo ?

Novakian’i Thierry niaraka tamin’ilay mpikarakara fanahy ny lahatsoratra samihafa manambara ny Zanak’ondry, ary takany amin’izay fa ny Zanak’ondry resahina ao amin’ny Baiboly manontolo dia maneho an’i Jesosy. Jaona Mpanao Batisa dia nilaza momba Azy, fony mbola tetỳ an-tany, hoe : „Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao !” (Jaona 1:29). Ny apostoly Jaona dia nahita Azy tany an-danitra tamin’ny endrika „Zanak’ondry… tahaka ny efa voavono” (Apokalypsy 5:6).

Hitan’i Thierry, tamin’ny famakiany voalohany, ny lohahevi-dehiben’ny Baiboly, dia Jesosy Kristy, Ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra, natao sorona noho ny fahotantsika.