Alahady 21 Jolay 2024

Andriamanitra dia Fanahy. Jaona 4:24

Ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan’Andriamanitra ho ao am-pontsika. Romana 5:5

 

Ny fanekem-pinoan’ny apostoly (3) : Mino ny Fanahy Masina aho

Rehefa miresaka an’Andriamanitra isika dia tsy afaka hihambo ho mahatakatra ny zavatra rehetra, na ho afaka hanazava ny zavatra rehetra. Andriamanitra dia mihoatra lavitra noho ny fiheverantsika ary isika dia tsy afaka hahafantatra ny momba Azy afa-tsy izay asehony antsika. „Andriamanitra irery ihany no afaka miresaka tsara ny momba an’Andriamanitra” (Blaise Pascal). Raha momba ny Fanahy Masina indray, ny Baiboly dia mampiseho Azy amintsika ny maha tena Andriamanitra feno Azy. Tsy misy afa-tsy Andriamanitra iray ihany, Izay maneho ny tenany ao amin’ny Telo Izay Iray, dia ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Andriamanitra Ray dia naseho tao amin’Andriamanitra Zanaka, ary tonga nonina amin’ny alalan’ny Fanahy Masina tao amin’izay mino (1 Korintiana 3:16). Ny Fanahy Masina izany dia Olona, Izay resahin’ny andinin-tSoratra Masina maro hoe miteny, mampianatra, mampionona, manambara, manome hery ara-panahy ho an’ny mpino tsirairay, mampitandrina, manoro lalana… (vakio ny bokin’ny Asan’ny Apostoly).

Amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, Izay Andriamanitra, no ifaneraseran’ny olona amin’Andriamanitra. Voalaza ihany koa fa mety hampalahelo Azy isika (Efesiana 4:30), ary mety hanohitra Azy aza (Asan’ny Apostoly 7:51), mandainga aminy (Asan’ny Apostoly 5:3) ! Noho izany, tsy aleo ve manaiky ny asany ao amintsika ho toy Ilay Fanahin’ny fampiononana, Izay mampahafantatra antsika ny fitiavan’Andriamanitra, mandray an-tanana ny tombontsoantsika sy miasa hahasoa antsika ?

Tsy hanao antsika ho sambatra Izy raha toa tsy ankasitrahintsika izany. Minoa ny Fanahy Masina isika, avelao Izy hiasa eo amin’ny fiainantsika. Henoy Andriamanitra miteny amintsika hoe : „Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo ; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina ; fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an’izay rehetra lavitra” (Asan’ny Apostoly 2:38-39). Ho an’ny olona rehetra… !