Alatsinainy 22 Jolay 2024
Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. Jaona 3:16
Voamarikao ve ny filaharan’ny teny ao amin’ity fiderana ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy ity, hoe : „Ho an’Izay tia antsika ka namaha antsika ho afaka amin’ny fahotantsika tamin’ny rany…” (1:5) ? Azontsika eritreretina ny hoe Andriamanitra dia namonjy antsika, ary avy eo tia antsika. Nefa ny fitiavan’Andriamanitra dia mialoha ny asany : nitia antsika Izy ary namonjy antsika. Heverinao ve fa Andriamanitra dia tia antsika fotsiny raha toa isika manao zavatra mba ho tiavina, na koa isika mampiseho fa tia Azy ? Tsia : tia antsika rehetra Izy, na tsara na ratsy, ka tsy mila manao na inona na inona isika.
Ny fiheverana fa mety ho tsy tia antsika Andriamanitra dia matetika ateraky ny fanabeazana sasantsasany : Ho tia ahy Andriamanitra raha hendry aho. Tsy izany no ampianarin’ny Baiboly. Sady ny fahadisoan’ny zanatsika dia tsy manova na inona na inona amin’ny fitiavantsika azy ireny ; ary marina indrindra ihany koa izany amin’Andriamanitra Izay nahary antsika. Raha nanalavitra Azy ny olona, dia tsy midika velively izany fa tsy tia antsika Andriamanitra. Maharikoriko an’Andriamanitra ny ota, fa tiany kosa ny olona nohariany. Sarotra amintsika ny hahatakatra izany raha toa ka tsy avahantsika ny ota sy ny mpanota. Halan’Andriamanitra ny ota, izay manimba sy mamotika ny fiainantsika. Fa tiany kosa ny mpanota.
„Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy” (Romana 5:8). Andriamanitra dia naniraka Azy mba ho faty noho ny fahotana nataon’izao tontolo manontolo izao. Anisan’izao tontolo izao ianao, ny fitambaran’ny olona tian’Andriamanitra fatratra ; koa io fitiavan’Andriamanitra nasehony teo amin’ny hazofijaliana io dia ho anao. Mamonjy izay mino Azy Izy.