Talata 23 Jolay 2024

Ny hahazoako ity zazalahy ity no nivavahako ; dia nomen’i Jehovah ahy izay nangatahiko taminy. 1 Samoela 1:27

Atsipazo eny ambonin’ny rano ny haninao, fa ho hitanao ihany izy rehefa ela. Mpitoriteny 11:1

 

Vavaka ho ana zaza iray sy ny reniny

Faith Slate, 23 taona, dia nandeha nampianatra tany Afrika Andrefana. Nandritra ny fialantsasatra, ny kitapony teny am-babena, dia nitsidika tanàna mitoka-monina izy, niaraka tamin’i Maddie, misionera zokiny kokoa. Sady mitory ny Filazantsara ireo vehivavy roa ireo no manolotra fitsaboana ihany koa. Indray andro i Faith dia nahamarika, tao anaty vahoaka, vehivavy iray niaraka tamin’ny zanany marary teny am-babeny. Silamo mpifindra monina avy any avaratra izy io ary nandeha tongotra 40 km mba ho tonga hatrany amin’ilay tanàna. Nomen’i Maddie fanafody ilay zaza, ary avy eo natolony hotrotroin’i Faith, izay niantsoantso hoe :

— Fa inona no tokony hataoko ?

— Voalohany indrindra, hoy Maddie, mivavaha amin’ny feo avo ianao, avy eo andramo ampitelemana ronono kely izy.

Dia nivavaka tamin’ny fony manontolo i Faith ary… nanaiky hisotro ronono ilay zaza ! Velon-tsiky mahafinaritra ilay reny ary lasa niverina tany an-tanànany.

Nody tany Etazonia i Faith, nefa mbola nieritreritra an’ilay vehivavy sy ny zanany ihany, ary nivavaka ho azy ireo.

Folo taona tatỳ aoriana, niverina tany Afrika i Faith ary nitsidika ireo tanàna mitoka-monina ireo ihany, niaraka tamin’ny vadiny. Nifanena tamina andiana zatovo nitarika azy ireo hankany amin’ny fianakaviany izy ireo. Rehefa tonga tany i Faith, avy hatrany dia nahatadidy ny tsiky mahafinaritr’ilay vehivavy izay notsaboiny ny zanany. Ny zanany, ilay zazakely nentiny am-bavaka, dia io tovolahy lehibe 13 taona io.

Roa taona tatỳ aoriana dia ho anisan’ireo natao batisa voalohany tao amin’ireto mpifindra monina ireto io tovolahy io sy ny zokiny lahy. Taorianan’izany dia hino an’i Kristy ihany koa i Bosha reniny. Ary amin’izao fotoana izao dia mpino maro no ao anivon’io vahoaka io.