Alarobia 24 Jolay 2024

Ary hisy lehilahy ho fierena amin’ny rivotra sy ho fialofana amin’ny ranonoram-baratra ; ho rano velona ao amin’ny tany karankaina izy, ho alo-batolampy lehibe amin’ny tany maha ana. Isaia 32:2

Ianao, Jehovah ô, no itokiako. Salamo 71:1

 

Nialoka noho ny oram-baratra

Tratran’ny oram-baratra ireto mpitsangantsangana telo lahy, ka nialoka tao anaty zohy iray. Avy efa nandritra ny ora maro ny orana. Nilatsaka ny alina ; tsy nihatsara ny andro. Tsy hay hatao ny hidina.

Tampoka teo, tamin’ny alina, dia nahare antso izy ireo :

— Mitady anareo izahay ! Mba valio izahay !

Teo no ho eo ihany dia nivoaka ny zohy izy ireo, nofafazan’ny orana teny amin’ny tarehiny. Nisy andiana mpamonjy voina niakatra nitady azy ireo. Niantsoantso izy ireo saingy tsy re tao anatin’ny oram-baratra ny feony. Nampirehetin’ireto mpitsangantsangana ny jirony sady nahetsiketsiny ny tanany. Nony farany dia reny ny vaovao mahafaly :

— Hitanay ianareo ! Aza mihetsika ! Tamy izahay !

Ora vitsivitsy taorianan’izany dia avotra soa aman-tsara ireo lehilahy ireo.

Mitady antsika ihany koa Andriamanitra. Te hamonjy antsika amin’ny fahafatesana vokatry ny ota Izy, ary hanome antsika ny fiainana mandrakizay. Ho amin’izany dia naniraka an’i Jesosy Kristy Zanany tetỳ an-tany Izy : Jesosy dia tonga olona. Maty teo amin’ny hazofijaliana Izy mba hamafa ny fahadisoantsika. Noho izany, Andriamanitra, Izay marina sy fitiavana, dia afaka manambara amintsika tsirairay izany „vaovao mahafaly” izany.

Henonao izany androany… „Hitan’Andriamanitra” ianao, tokony hamaly Azy fotsiny ianao mba ho voavonjy.

Ny hoe mamaly dia ny mivoaka ny zohintsika, ny fatokiantsika tena, ny tahotra, ny tsy firaharahantsika ny fitiavan’Andriamanitra ihany koa angamba. Izany ihany koa dia ny mahatsapa ny toetrantsika ara-panahy manoloana Azy. Hamaly ny antsony ve ianao ankehitriny ? Efa nataon’Andriamanitra avokoa ny zavatra rehetra hamonjena anao… Tia anao Izy !