Alakamisy 25 Jolay 2024

Ary mitandrema, fandrao… ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany. Fa hihatra amin’izay rehetra mitoetra etỳ ambonin’ny tany rehetra izany. Fa miambena ka mivavaha mandrakariva. Lioka 21:34-36

(Hoy Jesosy :) Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona. Lioka 21:33

 

Aza manary toky !

Inona no havoakan’ny hoavy ? Momba izany dia goavana ny fahasamihafana eo amin’ny lazain’ny Baiboly sy ny aroson’ny ankamaroan’ny haino aman-jery, ny mpahay siansa, ny mpanao pôlitika… Samy te hihevitra ny tsirairay fa ireo olana sy ireo toejavatra miha-zava-doza hatrany dia hiravona indray andro any, ary hihatsara kokoa izao tontolo izao. Ny Baiboly dia tsy manambara fihatsarana na kely aza ho amin’ny hoavy akaiky ; vao mainka aza izy mampitandrina antsika fa ny tsy fahamarinana sy ny ratsy dia hihoatra noho izay mety hitantsika hatramin’izao (Matio 24:12).

Inona no hatao ? Hatoky ny haino aman-jery izay mampifandimby ny filazana loza sy ny fampanantenana hoavy tsaratsara kokoa ve, sa hatoky izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra ? Izay mino izany Teny izany aloha dia miandry toejavatra mahagaga hanova ny fiainany : „Fa ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra… ka izay maty ao amin i Kristy no hitsangana aloha ; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy… dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika” (1 Tesaloniana 4:16-17).

Koa inona izany ny hanjo ny hafa ? Mbola hiharatsy ny fandehan-javatra noho ny haratsiam-panahin’ny olona (2 Timoty 3:1, 13), mandra-pahatongan’ireo andron’ny tebiteby, eo anivona tontolo miha-tsy marina, tsy manana ifaharana, mahery setra sy mijaly !

Mampamoy fo ve izany tsinjo lavitra izany ? Tsia, mahari-po Andriamanitra, „ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana ny olona rehetra” (2 Petera 3:9). Ny Filazantsara dia mbola miresaka famelan-keloka, fihavanana, fiainana mandrakizay ary fahasambarana. Mba hahazoana izany dia tokony hino fa Jesosy Mpamonjy no manome izany.