Zoma 26 Jolay 2024

Ny Tompo nitsangana teo anilany (teo anilan’i Paoly) tamin’iny alina iny ka nanao hoe : Matokia. Asan’ny Apostoly 23:11

(Hoy i Paoly :) Tamin’ny nandaharako voalohany hanala tsiny ny tenako dia tsy nisy nomba ahy, fa nandao ahy avokoa izy rehetra… Kanefa ny Tompo nitsangana teo anilako ka nampahery ahy. 2 Timoty 4:16-17

 

Fotoana tsara indrindra

Niseho teo anatrehan’ny fitsaran’ny Jiosy noho ny finoany an’i Kristy ny apostoly Paoly (Asan’ny Apostoly 23:1-11). Tsy fantany hoe iza no manoloana azy, koa dia nilaza teny tsy sahaza tamin’ireo mpitarika ara-pivavahana izy. Nanarina izy ary niaiky am-pahibemaso ny fahadisoany. Avy eo dia nikorontana ny teo amin’ny fitsarana, ary tsy maintsy nanaisotra azy tamin-kery teo amin’ny vahoaka nihaino ny miaramila. Rehefa irery tao amin’ny efitry ny tranomaizina nitanana azy izy dia nety ho tototry ny fisainana maizina, nety ho fanenenana aza. Fa tamin’ny alina kosa, ny Tompo dia nampahery azy tamin’ny fijoroany teo anilany, izay tena nilainy tokoa. Tatỳ aoriana, teo amin’ny fiainany, raha nogadraina fanindroany izy, dia mbola afaka niteny hatrany hoe : „Ny Tompo nitsangana teo anilako ka nampahery ahy” (andinin-tSoratra Masina voatanisa etsy ambony).

Jesosy dia niaraka tamin’i Paoly isanandro, araka ny fampanantenana nataony (Matio 28:20). Fa tamin’ireo fotoana ireo kosa dia nitsangana teo anilany Izy.

Ry kristiana, ny Tompo dia miaraka amintsika isanandro, miaraka amintsika eo amin’ny asa aman-draharahantsika andavanandro Izy. Mameno ny saintsika ireny, ary tsy tsapantsika ny fanatrehany amin’ny fotoana rehetra. Nefa ny Tompo dia eo tokoa, fantatsika izany ary inoantsika.

Fa mety misy kosa fotoana eo amin’ny fiainantsika maha sanganehana antsika, na mampalahelo, na irery angamba, fotoana ahatsapantsika fa tsy nahomby isika… Amin’izany no hahafahantsika migoka, toa an’i Paoly, ireny fotoana tsara indrindra, feno hamamiana ireny : manakaiky ny Tompo ary miresaka amintsika mangingina, mampahery antsika, toy ny reny mitrotro am-pitiavana ny zanany. Ireny fotoana iarahantsika akaiky aminy ireny dia toy ny harena manokana, fahatsiarovana feno fahasambarana hotehirizina am-pitandremana fatratra !