Asabotsy 27 Jolay 2024
Ny Zanak’Andriamanitra… tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. Galatiana 2:20
Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany. Jaona 15:13
Prague, jona 1286. Naneno ny lakolosy, faly avokoa ny rehetra. Hiditra ao an-tanàna ny mpanjaka Venceslas II mba hitsidika manokana ny faritra onenan’ny Jiosy. Tamin’ny faran’ny fitsidihana, dia nisy tapa-biriky goavana iray nianjera teo akaikin’ny tongony, saingy tsy nandratra azy. Tezitra mafy izy, ka nitaky ny hanolorana azy ny olo-meloka ao anatin’ny valo andro, fa raha tsy izany dia ny fari-bohitra iray manontolo no hofongorana. Nitalaho ny hanafoanana izany didy izany ny raby saingy tsy nahomby, ary tsy ela taorianan’izany dia ranomaso sy toloko sisa no re. Nozahana fatratra ny olo-meloka, saingy tsy hita. Tsy maintsy hizaka ny famaizana noho izao heloka nataon’olona iray teo aminy izao izany ny vahoaka jiosy iray manontolo. Nony farany, dia nanapa-kevitra hanavotra ny namany ny Jiosy iray, R. Schiftels, ka maty nisolo azy rehetra, nefa dia tsy nanan-tsiny izy. Nitolo-batana izy ary nohelohina sy novonoina, ka nanafaka noho izany ny vahoakany tamin’ny fahatezeran’ny mpanjaka.
Ity fihetsika mahate-hidera ity, izay mampiseho ny fitiavan’ity lehilahy ity ny mpiray firenena aminy anefa dia sary maivana fotsiny ihany manambara ny sorona nataon’ny Tompo Jesosy, Izay nijaly sy maty, tsy ho an’ny „namany” ihany, fa ho an’ny mpanota rehetra, eny, ho an’ny fahavalony ihany koa aza ! Nisy lohandohan’ny Jiosy iray nanambara hoe : „Tsara ho anareo, raha ny lehilahy iray no ho faty hamonjy ny firenena, mba tsy ho rava avokoa ity firenena ity” (Jaona 11:50). Tonga Jesosy, Izy Ilay Marina, mba hizaka ny famaizana mendrika antsika noho ny fahotantsika, mba hamonjy antsika sy hanome antsika ny fahasambarana mandrakizay.
Afaka manambara mafy ve ianao hoe : „Ny Zanak’Andriamanitra tia ahy, ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy ?”