Alahady 28 Jolay 2024
Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao. Jaona 17:3
Izaho avy (hoy Jesosy) mba hananany fiainana, sady hananany be dia be. Jaona 10:10
Jesosy Kristy… Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay. 1 Jaona 5:20
„Ny fiainana mandrakizay” izay lazain’i Jesosy in-droapolo dia manana anjara toerana lehibe fototra ao amin’ny fampianarany. Izany fiainana izany dia ny fahalalana akaiky ananan’ny mpino momba an’Andriamanitra sy Ilay Mpamonjy Izay nomeny, dia Jesosy Kristy. Ny mpino dia manana fifandraisana iankinan’aina amin’i Jesosy Kristy, Izay antsoina mihitsy hoe „ny fiainana mandrakizay”.
Ny fiainam-piombonana amin’Andriamanitra atolotr’i Jesosy Kristy antsika dia ivelan’ny fotoana, faritana kokoa amin’ny hatsarany fa tsy amin’ny faharetany.
Mino izany fiainana atolotr’i Jesosy izany aho. Manaiky io fanasan’Andriamanitra mba hahafantatra Azy io aho, mba hahatsapa ny fanatrehany, mba hiaina ao amin’ny fiarovany, mba hanararaotra fahasambarana tsy misy fetra, eny fa tsy voafetran’ny fahafatesana aza. Mino io fiainana lazain’ny Baiboly fa fiainana be dia be, izay tsy misy zava-mahory io aho. Fantatro fa tian’Andriamanitra faranana ny tsy fahampiana eo amiko ary te hameno ahy amin’ny zavatra rehetra Izy.
Ny olana, eo amin’ny fiainantsika, dia noho izy manana kavina mirozaroza… dia ny fahafatesana. Ho an’ny mpino, izany dia fandaozana ny fiainana eto an-tany ary hiaraka amin’i Kristy (Filipiana 1:23). Ho an’izay tsy mino, izany dia fisarahana mandrakizay amin’Andriamanitra, ary sahaza azy tsara no antsoina hoe „fahafatesana mandrakizay”. Koa tsy maintsy manapa-kevitra ny hino an’Andriamanitra ihany koa izany ianao. Manana zavatra maro tokoa homena anao Izy ao amin’i Jesosy Kristy, Ilay Mpamonjy Izay ilainao. Manolotra ho anao dieny ankehitriny ny famelan-keloka Izy. Ekeo ny fanambaran’Andriamanitra rehetra ao amin’ny Baiboly. Ho fantatrao ny fiainana be dia be sy maharitra mandrakizay omen’Andriamanitra. Hisy halehiben’ny fiainanao tsy nantenainao akory ho hitanao dieny ankehitriny.