Alatsinainy 29 Jolay 2024
Na dia nahalala an’Andriamanitra aza izy, dia tsy mba nankalaza Azy… fa tonga zava-poana izy tamin’ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto. Nandoka tena ho hendry izy, ka tonga adala. Romana 1:21-22
(Hoy Jesosy :) Izaho no fahazavan’izao tontolo izao. Jaona 8:12
Tsy hay atao ny tsy hanontany tena, rehefa asehon’ny zavamisy ankehitriny antsika hoe manao ahoana tokoa moa izao tontolo misy antsika izao. Manafintohina antsika izay rehetra asehony, dia fankahalana, havetavetana, tsikombakomba, vono olona, varo-maizina vola, varo-maizina olona… Ny Baiboly dia mampahafantatra antsika fa manilika an’Andriamanitra ny olona, tsy miraharaha na kely akory aza ny zony amin’ny maha Mpahary Azy.
Mpanota ny olombelona ; katsahiny izay hahafa-po ny filany rehetra : firaisana ara-nofo, fahefana, vola, sns. Mihevitra ny tsirairay fa manana zo hanao izay mahafinaritra ny tenany. Izay nomelohina omaly dia leferina ankehitriny, ambara ho ara-dalàna rahampitso, avy eo ampirisihina. Ahoana no hahafahan’ny kristiana miaina ao amina tontolo toy izany ?
— Amin’ny fihainoana izay lazain’Andriamanitra antsika ao amin’ny Baiboly. Tsy hoe hametraka lisitra zavatra azo atao sy zavatra voarara tsy akory, fa hihaona amin’Olona iray, dia Jesosy, Ilay Tompontsika sy Mpamonjintsika, Izay irintsika ho faly amintsika ary iezahantsika hotahafina. Henoy Izy : „Tonga amin’izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon’ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany” (Jaona 3:19).
„Izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina” (Jaona 8:12).
— Tsy be fahatany tsy akory ireo fampianaran’Andriamanitra. Ny Fanahy Masina no mampihevitra azy ireo antsika sy mampiseho mazava antsika ireo soridalana harahina nomeny mba hiainantsika araka izay mahafaly an’Andriamanitra.