Talata 30 Jolay 2024

Tao ny tena Mazava, Izay mahazava ny olona rehetra, tonga amin’izao tontolo izao. Jaona 1:9

Fa efa mazava ao amin’ny Tompo kosa (ianareo) ankehitriny ; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava. Efesiana 5:8

 

Fiterahana hazavana

Efa taona vitsivitsy izao no misy mpahay siansa miezaka manamboatra santionan-javamaniry miteraka hazavana avy amin’ny aina. Ireo dia zavamaniry namindrana ny toetra mpiteraka hazavana ananana biby miaina any anaty ranomasina na bibikely sasantsasany, toy ny angamenavava. Io tetik’asa mikendry avo io, raha ambolena eny an-tanàn-dehibe ireo zavamaniry ireo, dia hahafahana manazava ny alina, any aoriana any, ka hampihena ny fandaniana angovo, sady hanadio ny rivotra iainana.

Ireo hazo miteraka hazavana ireo dia mampahatsiaro antsika ny kristiana. Hoy Jesosy tamin’ny mpianany : „Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao” (Matio 5:14). Ry namana kristiana, ny fahazavantsika ve mba mamiratra eto amin’ity tontolo matroka aoka izany ity ?

Samy migaga isika rehetra, mahita ny hatsarana tara-bolana fenomanana. Nefa ny volana, izay tsy manana hazavana avy ao anatiny, dia mandefa fotsiny ny taratry ny masoandro. Dia toy izany koa isika, tsy ho afaka manazava, raha tsy maneho ny tara-pahazavan’i Kristy. Izy mihitsy no miteny hoe : „Izaho no fahazavan’izao tontolo izao”. Rehefa manatona Azy isika, sady mamela ny hazavany hanazava eo anatrehan’Andriamanitra ny tena toetra ao anatintsika lalina ao, no hanjary zanaky ny mazava, manana ny ain’Andriamanitra ao anatintsika. Ny finoana irery ihany no mahafindra antsika „hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga” (1 Petera 2:9).

Ianao ve efa nandray io fahazavana avy amin’Andriamanitra io ? sa aleonao mitoetra ao anatin’ny haizina ara-toe-panahy, lavitra an’Andriamanitra ?

Toy ny sarisary mahafinaritra asehon’ny voninkazo tanamasoandro, izay mitodika amin’ny masoandro, dia mitodiha amin’i Jesosy, Ilay hany afaka manazava ny fiainanao. Amin’izay ianao dia ho afaka mandeha toy ny „zanaky ny mazava”, mba hahafaly Ilay namonjy anao, sady mandefa ny taratry ny fahazavan’i Kristy eo amin’ny manodidina anao.