Alarobia 31 Jolay 2024
(Hoy Jesosy :) Raha misy olona ta hanao ny sitrapony (sitrapon’Izay naniraka Ahy), dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy, na avy amin’Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho. Jaona 7:17
Hoy ny Dr H. Kelly (1858-1943), profesora tany Etazonia : „Mbola tsy nahita aho olona tena mahalala ny Baiboly ka nandà azy. Ny manahirana dia ny fisalasalantsika hitsapa azy an-kitsimpo.” Efa nambaran’i Jesosy izany : „Tsy mety manatona Ahy ianareo, hanananareo fiainana” (Jaona 5:40). Fa ahoana moa ny fomba hitsapana ny Baiboly, raha tsy hoe mampihatra azy eo amin’ny fiainantsika manokana sy mankatò ao am-po izay lazainy antsika ? Izany no nataon’ny Dr Kelly :
„Mino aho fa ny Baiboly dia Tenin’Andriamanitra, avy amina tsindrimandry hafa tanteraka noho ireo bokin’olombelona… Manana izany fahazoana antoka izany aho, satria manao azy ho sakafon’ny fanahiko isanandro, ary mahita fiovana eo amin’ny fiainako manokana : voahitsy ireo fironana maha olombelona, voadio ny fihetsehampo, mianatra mahafantatra ny fahamarinan’Andriamanitra aho… Tena sakafon’ny fanahy tokoa ny Baiboly, toy ny maha sakafon’ny vatana ny mofo…
Ny Baiboly dia mampahafatatra ahy ny zava-marina momba ny fiainako ara-panahy, ary tsy misy boky hafa mahavita izany. Asehony ahy mazava ny tena toetrako, araka ny maha izaho ahy : very ao amin’ny ota ary tsy manan-jara amin’ny fiainana ao amin’Andriamanitra. Manomboka amin’ny Genesisy ka hatramin’ny Apokalypsy dia ahitako fanambarana mirindra sy mahatalanjona momba ny toetran’Andriamanitra, tena mifanalavitra tanteraka amin’izay haintsika heverina. Ny Baiboly dia manambara ihany koa fitiavana sy fanakekezana an’Andriamanitra ao amin’i Kristy, fanakekezana mahafa-po izay irin’ny fo… Ilay Andriamanitra tsy misy fetra, Mpahary izao tontolo izao, dia nandray tao amin’ny tenany ny toetrantsika mihitsy, ka noho ny fitiavany tsy misy fetra, dia afaka nitovy tamintsika mba hanavotra antsika.”