Alakamisy 1 Aogositra 2024
Raha ny fahatsontsana, dia iza re no mahalala izany ? Ataovy tsy manan-tsiny aho ny amin’izay ota tsy fantatra. Salamo 19:12
Izay manafina ny fahotany, tsy hambinina ; fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindrampo. Ohabolana 28:13
Hoy ny ankamaroan’ny manampahaizana momba ny toetra, hoe ny fahatsapana fahamelohana dia singa ratsy mety hisy fiantraikany tena manimba ny toetra amam-panahin’ny olona. Io fahatsapana io dia mety hiteraka hakiviana sy hitarika olona ho latsaka ao amina tambolina ratsy hanimba ny fahasalamany. Tsy misy loza kokoa mantsy noho izay aretina tsy misy fanafany. Koa tokony hosorohina izay rehetra mety hanameloka, ary tokony hovaina hanjary fihetsehampo tsara sy mampivelatra. Iza no afaka hahavita izany ?
Ny Baiboly dia tsy mitady hiala amin’io fanontaniana fototra io, ka tsy hiresaka afa-tsy zavatra tsara ; hoy ny ambarany : „Tsy misy marina, na dia iray akory aza” (Romana 3:10). Koa isika rehetra izany dia mpanota avokoa, eo anatrehan’Andriamanitra. Andriamanitra dia tsy manafina na amin’iza na amin’iza io fahamarinana io. Nefa koa omeny ny vahaolana. Tonga Jesosy Kristy mba hivesatra ny fahamelohantsika. Maty teo amin’ny hazofijaliana Izy mba hamafa izany tanteraka tsy ho eo anatrehan’Andriamanitra, ary mba hampisy fifandraisana manokana ao anaty fiadanana, afaka hiorina eo aminy sy amintsika tsirairay.
Ny fahatsapana fahamelohana ao anatintsika dia mitarika antsika hitodika amin’Andriamanitra sy hahafantatra Azy : „Andriamanitry ny famelan-keloka Ianao ka miantra sy mamindra fo, mahari-po sady be famindrampo” (Nehemia 9:17), ary hahafantatra ny Zanany koa : „Iray no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona, sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra” (1 Timoty 2:5-6). Noho izany, ankehitriny dia „tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy” (Romana 8:1). Voaisotra ny fahamelohany. Mameno ny fony ny fihavanana omen’Andriamanitra (Romana 5:1).