Zoma 2 Aogositra 2024

Mangina Izy, ka iza no mahay manameloka ? Joba 34:29

Efa manoratra teny fohifohy ho aminareo aho… mananatra anareo aho ka manambara fa izany no tena fahasoavan’Andriamanitra —tomoera tsara amin’izany ianareo. 1 Petera 5:12

 

Ray ô, manome ahy ny fahasoavanao sy ny fiadananao Ianao

„Eo anivona vaovao ratsy mifandimby alefan’izao tontolo izao amiko isanandro, dia misy mozika malefaka ho an’ny foko, feon-kira feno fitiavana sy fanantenana, dia ilay hafatra mitory vaovao mahafaly avy aminao.

Ambaranao amiko ary averinao ambara isanandro fa manome ahy ny fahasoavanao Ianao, ary anjarako ny mandray izany na tsia.

Ambaranao amiko fa lehibe noho ny an’ny olombelona ny fahamarinanao, ary ny famelan-keloka atolotrao dia afaka mamafa ny fahadisoako rehetra, ny fisalasalako rehetra, ny fahotako rehetra.

Nefa misy ampahany ato anatiko mandà, manoloana ny halalaham-tananao. Mitady ny fomba aho hahatonga ahy ho mendrika ny fitiavanao. Na izany aza anefa, dia tsy sasatra Ianao mamerimberina amiko hoe : „Amin’ny finoana no tokony hivelomanao, matokia Ahy, avelao Aho hamindra fo aminao.” Vonjeo amin’ny fisalasalako anie aho, ary ataovy mamakivaky ity andro ity ao anatin’ny fifalian’ny vaovao mahafaly entinao.

„Manome ahy ny fahasoavanao Ianao, manome ahy ny fiadananao. Atolotrao ahy toy ny fanomezana ireo.

Rehefa mitodika amin’ny tenako aho, mijery ny lasako, ireo zavatra rehetra mahamenatra ahy, ireo teny tsy nolazaiko, ireo fihetsika nandratra, nampisy fery… dia mahatsiaro ny fahalemeko, ny finoako mivembena. Mendrika ve aho, ry Tompo ?”

Tsia, azo antoka fa tsy mendrika ny famelan-keloka avy aminao aho, nefa ambaranao amiko fa izany indrindra no antsoina hoe fahasoavana.

Inona no holazaiko ? Ny mivavaka ihany no mba haiko atao. Ny hany azoko antoka dia hoe mila Anao aho. Omenao ahy ny fiadananao, raisiko izany, atafiko ny fanahiko, tahaka fitafiana ahazoana aina mba hiatrehana ireo fisalasalana sy tahotra amin’ity andro ity.”

Pierre-Yves Zwalhen