Asabotsy 3 Aogositra 2024

Fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany ; Izay tsy nanota akory, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany ; raha notevatevaina Izy, dia tsy mba nanevateva ; raha nijaly, dia tsy nandrahona. 1 Petera 2:21-23

 

Jesosy, ohatra faka tahaka ho antsika

Teo amin’ny fiainany tetỳ an-tany Jesosy Kristy dia ohatra faka tahaka ho an’ny mpino. Izy dia „malemy fanahy sy tsy miavona am-po” (Matio 11:29), ary afaka mianatra aminy isika rehefa iharana ratsy atao amintsika na omen-tsiny tsy ara-drariny.

Jesosy dia natao tsinontsinona. Natanaela, iray tamin’ireo mpianany, dia nilaza indray andro, talohan’ny nahafantarany Azy, hoe : „Moa mba misy zavatsoa va avy any Nazareta ?” (Jaona 1:46). Tao Nazareta no nahalehibe an’i Jesosy, teraka tany Betlehema ; inona no navaliny izany fanontaniana manambany izany ? Nanasongadina toetra tsara iray tao amin’i Natanaela Izy, hoe : „Indro ny tena Israelita tsy misy fitaka” (and 47).

Rehefa tonga hisambotra an’i Jesosy i Jodasy niaraka tamina andia-miaramila nitondra sabatra sy langilangy, dia „nandao Azy ny mpianatra rehetra ka nandositra”. Nandao ny Tompony izy ireo (Matio 26:56) tamin’ny fotoan-tsarotra nahatongavan’i Jodasy hisambotra Azy sy hitondra Azy ho eo anatrehana fitsarana jiosy nankahala Azy. Inona anefa no nolazainy azy ireo taorianan’ny nitsanganany velona indray ? „Fiadanana ho anareo” (Jaona 20:19).

Ahitana fihetsika mitovitovy amin’izany ao amina mpino sasany. Ao amin’ny taratasy nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’ny Galatiana, dia ampahatsahiviny ny nananarany ampahibemaso ny apostoly Petera noho ny fitondrantenany tsy nahitsy. Ahoana ny fihetsik’i Petera, izay zokin’i Paoly ara-taona, nanoloana io fananarana henjana io ? Hiresaka an’i Paoly izy hoe „Paoly, rahalahy malalantsika” (2 Petera 3:15).

Araka izany, ny Baiboly dia mampahery antsika hanao fihetsika mampandroso rehefa kianina na ratraina amina teny tsy voahevitra, tsy amin’ny tokony ho izy, ary na amina fanomezan-tsiny tandrify antsika izany na tsia.