Alahady 4 Aogositra 2024
(Hoy Jesosy :) Ianao no Petera, ary ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako ; ary ny vavahadin’ny fiainan-tsy hita tsy haharesy azy. Matio 16:18
— Ary ianao, mino ny Fiangonana ve ianao ?
— Fiangonana iza anefa ?
— Eny, maro ny fiangonana, ka tsy fantatra izay hohatonina. Marina amiko ihany koa izany, nefa ao amin’ny Baiboly dia miresaka momba izany Jesosy, miteny hoe : „ny Fiangonako”, ary raha io, dia mahaliana ahy.
Taorianan’ny zavatra rehetra nataon’i Jesosy tetỳ an-tany mba hanehoany amiko an’Andriamanitra, taorianan’ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana nisolo toerana ahy, dia afaka mihaino tsara izay lazainy momba ny Fiangonany aho.
Tsy mba trano anatrehana fotoam-pivavahana ny Fiangonany, na rafitr’antokom-pivavahana izatsy na izaroa. Ary tsy antokon’olona milaza ho tompon’ny fahamarinana.
Ny Fiangonan’i Jesosy Kristy dia ny fitambaran’ny olona rehetra miankina amin’ny fanorenana nambaran’ny apostoly Petera hoe : „Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona” (Matio 16:16). Mino izy ireo fa Jesosy no Ilay Zanak’Andriamanitra, nofidin’Andriamanitra (izany no dikan’ny teny hoe „Kristy”) mba hampihavana antsika aminy. Ny Fiangonana araka ny Baiboly dia manerana izao tontolo izao. Tsy voafetran’ireo firaisam-pikambanana najoron’ny olombelona, firaisana mihambo ho manangana azy indray amina anarana samihafa : anglikana, evanjelika, ôrtôdôksa, protestanta, katolika (romana)… Any amin’ny toerana rehetra izy, voarafitr’ireo rehetra mino ny Tompo Jesosy ary nasaina mba hiangona.
Tsy afaka hirehitra hatrany ny kitay iray raha lavitry ny afo ; ny kristiana „mirehitra” ho an’ny Mpamonjiny dia mila ny rahalahy sy anabaviny ao amin’ny finoana mba hampianarina, hampaherezina… hifanakalo. Aoka isika tsy hitokantokana… ary indrindra, tsy handà ny fanatrehan’ny Tompo nampanantenainy ireo izay mivory amin’ny anarany !