Alatsinainy 5 Aogositra 2024
(Hoy Jesosy :) Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny anarako, dia ao afovoany Aho. Matio 18:20
Ny kristiana dia tia atao hoe tahaka an’i Jesosy, na dia mahatsapa ny tsy fahamendrehany lalina aza. Manaiky ny fahefany irery izy ireo, ka mivory amin’ny Anarany, satria ny Tompo Jesosy efa nampanantena fa ho eo afovoan’ny fivoriany.
Resy lahatra izy ireo fa ny Fiangonan’Andriamanitra dia voarafitry ny mpino rehetra, ka tia mitondra anarana afaka omena ny zanak’Andriamanitra rehetra, dia ny hoe kristiana…
Mino izy ireo fa ny Baiboly dia avy amin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra, ka manaiky ny maha Tenin’Andriamanitra azy. „Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra” (2 Timoty 3:16-17).
Satria ny kristiana resy lahatra ny amin’ny fahefana feno ananan’ny Tenin’Andriamanitra sy ny halavorarin’ny fampianarany, dia mino ny maha iray ny „fiangonan’Andriamanitra velona”, izay „andry sy fiorenan’ny fahamarinana” (1 Timoty 3:15).
Mino izy ireo fa ny Fiangonan’Andriamanitra dia naorin’ny Fanahy Masina tetỳ an-tany tamin’ny andro Pentekosta ary itambaran’ireo zanak’Andriamanitra rehetra noho ny finoana ny Kristy Jesosy. Ny mpino tokoa mantsy dia nohamasinina, ary „Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa (azy) rehetra ho tena iray” (1 Korintiana 12:13).
Mino izy ireo fa ny Tenan’i Kristy dia vatana velona, voarafitr’ireo rantsambatana mifandray tanteraka ho „tena iray ihany ao amin’i Kristy” (Romana 12:5).
Araka izany ny kristiana dia tia mivory tsotra fotsiny manodidina Azy, satria rantsambatan’ny tenan’i Kristy.