Talata 6 Aogositra 2024
Tsy anareo ny ady, fa an’Andriamanitra. 2 Tantara 20:15
Jesosy ho faty… mba hanangona ny zanak’Andriamanitra, izay efa niely, ho antoko iray. Jaona 11:51-52
Fiadanana anie ho an’ny rahalahy, ary fitiavana mbamin’ny finoana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo. Efesiana 6:23
Nanapaka an’i Frantsa ny tafika alemana nandritra ny Ady lehibe faharoa. Nandalo teo amina trano kely iray ny tsipika mampisaraka roa an’i Frantsa tany Atsimo-andrefana. Indray andro ny manamboninahitra alemana lehiben’ny andian-tafika dia nitsidika ilay zazavavy kilemaina niara-nipetraka tamin’ny reniny tao. Nahita alimanaka mitovy amin’ity eny ampelatananao ity izy, ka nihoraka hoe : „Ny alimanakanay ity !” Ny alahady nanaraka io dia nitolagaga i Jacques sy ny namany, nahita fehikibobe alemana nisy ny basiny, teo amin’ny fidirana tao amin’ny efitrano kely nivoriana kristiana tao an-tanàna ! Rehefa niditra tao amin’ny efitra fivoriana izy ireo dia nahita ilay manamboninahitra, nandray anjara tam-pihetsehampo tamin’ny fanompoam-pivavahana. Io kristiana io dia nino ny fitiavan’Andriamanitra naseho tao amin’i Jesosy Kristy, ary nandray ho rahalahy sy anabavy ireo rehetra niara-manana izany finoana izany.
Mampanontany tena ny fomba andrindran’io kristiana io ny fiainana maha mpianatr’i Kristy azy sy ny fiainana maha miaramila-na firenena an’ady azy. Azo antoka fa tsy miombon-kevitra amin’ireo mpitondra ny fireneny izy. Afaka nampiasa ny fahefany izy hitazona ny miaramilany tsy hanao fanararaotam-bahoaka. Ny Filazantsara no tompon’ny teny farany teo aminy sy ireo kristiana vitsivitsy tokony harahiny maso. Tafaray nanodidina an’i Jesosy Kristy Tompony izy ireo, ka mpirahalahy sy mpianadahy, na frantsay na alemana.
Ankehitriny ny Filazantsara dia mitoetra hatrany ho ilay hery manova, „ho an’izay rehetra mino”, na inona na inona firenena niaviany, na antokom-pinoany, na ny soatoavina mamaritra ny fitondrantena maha olom-pirenena azy, na ny toerany eo amin’ny fiarahamonina. Jesosy Kristy dia maty mba hampihavana amin’Andriamanitra ireo izay mino Azy, sy hanao azy ireo ho mpiray tampo. Ary na dia any amin’ny tany tsy misy ady aza, dia manohina ny miaina izany !