Alarobia 7 Aogositra 2024

Hoy Izy (Jesosy) tamin-dravehivavy : Voavela ny helokao… Ny finoanao efa namonjy anao ; mandehana soa aman-tsara. Lioka 7:48, 50

 

Ry Simona, manan-kolazaina aminao Aho !

Tsara vakina : Lioka 7:36-50

Jesosy dia nifandray tamin’olona maro karazana indrindra. Indray andro Izy dia nasaina Fariseo (mpivavaka israelita) iray. Fantatr’i Jesosy fa manaraka fombafomba io fanasana Azy io, ary angamba mihatsaravelatsihy koa. Nihevitra ve ilay Fariseo fa hahita lesoka ao amin’ny fampianaran’Ity olona nasainy ?

Teo am-pisakafoana izy ireo no nanatona ny vehivavy iray eo an-tanàna, malaza amin’ny fitondrantenany ratsy, nanakotsa tamin’ny ranomasony ny tongotr’i Jesosy, nanorokoroka izany, ary nanosotra menaka manitra izany. Ka hoy ilay Fariseo anakampo : „Raha mpaminany Ity, dia ho nahalala io vehivavy manendry Azy io sy ny toetrany”.

Jesosy dia mamaky ny ao anatin’ny fo. Nekeny am-panginana ny fanenenan’io vehivavy io an-kitsimpo, nefa tsy afaka nangina kosa Izy manoloana ny avonavon’ilay Fariseo sy ny tsy fanajany. Na izany aza anefa, dia tamin-kamoram-panahy no niantsoany azy tamin’ny anarany hoe :

— Ry Simona, manan-kolazaina aminao Aho !

— Lazao àry, Mpampianatra ô, hoy izy, liana.

Dia nambaran’i Jesosy teo anatrehan’ny olona rehetra ny alahelony noho ny tsy firaharahan’ilay nanasa Azy, nasongadiny ny zavatra rehetra nataon’ilay vehivavy, ary nasehony ny hafaliany namela heloka io vehivavy io, izay nibebaka.

Fantatr’i Jesosy amin’ny anarantsika avy isika tsirairay. Fantany ny rehetra ao an-tsaintsika, tia antsika Izy ary maniry ho antsika ny tena fahasambarana. Te hiteny amiko sy aminao an-kalemem-panahy Izy hoe : „Manan-kolazaina aminao Aho”. Ataony izany mandritra ny vavaka ataontsika, raha avelantsika hiteny amintsika Izy rehefa mamaky ny Baiboly isika, na angamba amin’ny alalana namana kristiana iray… Ndao ho vonona hihaino Azy, hanao aminy hoe : „Lazao àry, Mpampianatra ô”.