Alakamisy 8 Aogositra 2024
Tonga Izy (Jesosy) ka nitory teny soa mahafaly milaza fihavanana taminareo izay lavitra, ary fihavanana tamin’izay akaiky koa. Efesiana 2:17
Jesosy Tompontsika… natolotra noho ny fahadisoantsika, ka natsangana indray ho fanamarinana antsika. Romana 4:24-25
Ny Testamenta Taloha dia mampahafantatra an’Andriamanitra, Ilay Mpahary, Tsitoha, masina, mandrakizay. Ny olona noarìny no hany zavamananaina manan-tsaina afaka mahafantatra sy mitia Azy (Deoteronomia 6:5). Nefa nisy fahavalo mpamitaka niditra teo anelanelan’Andriamanitra sy ny olona, dia i Satana. Nampiditra ny ota teto amin’izao tontolo izao izy, ka tapaka ny fifandraisan’ny olona amin’Ilay Andriamanitra masina (Isaia 59:2). Dieny ao amin’ireo pejy voalohan’ny Baiboly Andriamanitra, araka ny fitsarany marina, dia efa nanambara fa hahatonga fahafatesana ny ota : „kofehy mena” mamakivaky ny Baiboly manontolo izany. Efa nampitandremana i Adama hoe ho faty raha tsy mankatò ny didy (Genesisy 2:17). Araka izany, vao nanota voalohany ny olona, dia nanterina ny didim-pitsarana : „Hiverina ho amin’ny vovoka indray ianao” (Genesisy 3:19). „Tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana” (Romana 5:12).
Ny fahamarinana lehibe raketin’ny Testamenta Vaovao dia „ny teny soa mahafaly” : ny Filazantsara (Efesiana 2:17). Tamin’izany Andriamanitra dia naneho tamin’ny olona ny tenany ho Ilay Mpamonjy. Nampahafantariny ny tenany tao amin’ny Zanany (Hebreo 1:1-3), dia Kristy Jesosy, Izay olona, „Andriamanitra… naseho teo amin’ny nofo” (1 Timoty 3:16). Nanatona antsika Izy tao amin’io Zanany resahin’ireo filazantsara io. Nefa mba hanjary Mpamonjintsika Izy dia tsy maintsy nisolo toerana antsika, nizaka ny fitsarana sy ny fahafatesana sahaza antsika.
Izany no hafatra mbola torina mandraka ankehitriny. Taomina isika rehetra mba handray ny famelan-keloka sy ny fiainana mandrakizay noho ny finoana an’i Kristy, maty sy nitsangana velona indray.