Zoma 9 Aogositra 2024

Hoy Jesosy taminy : Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako. Jaona 14:6

 

Angamba tena marina ny Jesosy-nao

„Zazavavy kely silamo aho, nitady an’Andriamanitra tamin’ny foko manontolo. Nefa arakaraka ny niezahako hanao ny sitrapony no nahatsapako habangana tato anatiko lalina. Nijaly aho noho ny tsy fananako an’Andriamanitra…

Indray andro, rehefa nirava avy tao an-tsekoly aho dia nahare tanora kristiana vitsivitsy nijoro ho vavolombelona hoe : „Jesosy no làlana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalany”. Nanohina mafy ahy izany hafatra izany. Tampoka teo aho dia nahatsapa ny maha zava-dehibe ny finoana an’i Jesosy Kristy, mba hanatonako an’Andriamanitra. Tatỳ aoriana aho dia nankao amina fiangonana iray. Ilay andinin-tSoratra Masina reko herinandro vitsivitsy teo aloha teny an-dalana no noresahin’ilay mpitoriteny. Dia nino an’i Jesosy aho tamin’io andro io.

Nefa ahoana no hilazako izany amin’ny ray aman-dreniko ? Natahorako izay ho fihetsiny. Indray andro aho dia nivoaka tamin’ny fanginako, ka niresaka tamin’izy ireo ny finoako an’i Jesosy. Teo no ho eo ihany aho dia nasain’ny raiko niala ny trano. Dia iny aho nirenireny irery teny amin’ny arabe tao Abidjan. Nanontany tena aho ny amin’izay fomba hivelomako. Nefa nisy mpivady kristiana nandray ahy toy ny zanany naterany.

Taona vitsivitsy tatỳ aoriana dia nisy namana iray nampirisika ahy hifandray indray amin’ny fianakaviako. Noheveriko ho tsy hay atao izany ! Nefa dia nanapa-kevitra aho hanoratra ho an’ny raiko. Vao naharay ny taratasiko izy dia nanaiky hahita ahy indray. Rehefa tonga aho dia niteny teo anatrehan’ny fianakaviana manontolo izy hoe : „Mangata-pamelana aminao aho, noho ny ratsy rehetra nataoko taminao. Na dia teo aza ireny fitsapana rehetra ireny, dia mbola nanohy nino ny Jesosy-nao ihany ianao. Angamba tena marina ny Jesosy-nao”. Nanomboka teo dia nisy maro tao amin’ny fianakaviako nino ny Tompo Jesosy.”

Fati