Asabotsy 10 Aogositra 2024

(Hoy Jesosy :) Tsy misy manaisotra ny aiko amiko, fa ny tenako ihany no manolotra azy. Manana fahefana hanolotra azy Aho, ary manana fahefana haka azy indray. Izany didy izany dia azoko tamin’ny Raiko. Jaona 10:18

Ny nitiavan’i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin’Andriamanitra. Efesiana 5:2

 

Sorona an-tsitrapo

Toy ireo mpanoratra hafa ny Filazantsara, Jaona dia mitantara ny fivadihan’i Jodasy, ny fitsarana sy ny fanamelohana an’i Jesosy, avy eo ny nanomboana Azy teo amin’ny hazofijaliana. Nefa miavaka ny fitantaran’i Jaona : Ilay Zanak’Andriamanitra dia nanolo-tena an-tsitrapo, noho ny fitiavany ny Rainy sy ny fankatoavany Azy (Jaona 14:31).

Rehefa tonga hisambotra Azy ny miaramila, izay notarihin’i Jodasy mpamadika, dia notsenain’i Jesosy ary nanontaniany hoe : „Iza moa no tadiavinareo ?” Rehefa nilaza tamin’ireo Izy hoe : „Izaho no Izy”, dia nianòtra izy ireo ary lavo tamin’ny tany. Namerina ny fanontaniany Jesosy, ary nanaiky hosamborina. Nanolo-tena an-tsitrapo ny Zanak’Andriamanitra (Jaona 18:1-11).

Avy eo Jesosy dia niseho teo anatrehan’i Pilato, governora romana. Ho fanarabiana Azy, ny miaramila dia nandrandrana fehiloha tsilo ho Azy ary nampiakanjo akanjo volomparasy Ilay nampangaina ho nilaza tena hoe Mpanjakan’ny Jiosy. Te hampiseho Azy tamin’ny vahoaka i Pilato, nanambara fa tsy nahita heloka teo aminy. Niakanjo toy izany Jesosy no niala teo anatrehan’i Pilato. Nanao izany an-tsitrapo Izy, araka ny voalaza, fa tsy noteren’ny miaramila tsy akory (Jaona 19:5).

Farany dia nanonona ny fanamelohana Azy i Pilato, ary nanolotra Azy tamin’ny miaramila. Nivoaka Jesosy, nitondra ny hazofijaliany, mba hankany amin’ny toerana hampijaliana Azy (Jaona 19:17).

Tapitra ny fotoana nihomboany teo amin’ny hazofijaliana. Noraisin’i Jesosy tamin’ny tenany ny fahotantsika, ary nozakainy an-tsitrapo ny famaizan’Andriamanitra Azy, dia Izy tenany no nanolotra ny fanahiny teo an-tanan’ny Rainy (Lioka 23:46) ; izany no manaporofo ny maha Andriamanitra Azy.

Tamin’ny fotoana rehetra Jesosy dia nanolotra ny tenany an-tsitrapo, noho ny fitiavany ny Rainy, ny Fiangonany, ary izaho sy ianao !