Alahady 11 Aogositra 2024

Nahoana no ataonareo ho zavatra tsy azo inoana, raha Andriamanitra manangana ny maty ? Asan’ny Apostoly 26:8

Ary raha Kristy no torina fa natsangana tamin’ny maty, ahoana no ilazan’ny sasany eo aminareo fa tsy misy fitsanganan’ny maty ? 1 Korintiana 15:12

 

Ny fanekem-pinoan’ny apostoly (6) : Mino ny fitsanganan’ny maty aho

Lohahevitra lehibe fototra izany… Satria ny fitsanganan’ny maty dia mitondra ho amin’ny fieritreretana fifanatrehana amin’Ilay Mpahary antsika, Izay manana ny fahefana hitsara antsika… Ary raha hisy fitsarana na tsy hisy, dia manova ny zavatra rehetra izany. Marina fa mampitony kokoa ny mino fa tsy hisy fitsanganan’ny maty, noho izany tsy hisy fitsarana ; nefa izany dia mampiseho koa fa atahorantsika io fitsarana io. Hihena be dia be izany ny andraikitsika, raha ho amina fotoana voafetra ihany ny vokatry ny asantsika.

Ny Baiboly anefa dia hentitra manambara ny maha zavamisy ny fitsanganan’ny maty. Ahoana no tsy hinoana izany ? Namorona izao tontolo rehetra izao sy izay eo aminy avy tamin’ny tsy nisy Andriamanitra, ka tsy ho hainy ve ny „hamorona indray” ny vatan’olona avy amin’izay sisan-taolany, na dia efa lasa vovoka sy lavenona aza ireo ?

Andriamanitra dia hamerina antsika ho velona indray, ary tsy hanontany izay hevitsika, satria isika tsy maintsy hiseho eo anatrehany. Marina Izy, ary milaza amintsika ny apostoly Jaona hoe : „Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan’ny sezafiandrianana ;… Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny ; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsy hita namoaka ny maty tao aminy ; dia samy notsaraina araka ny asany izy” (Apokalypsy 20:12-13). Ho tanteraka izany faminaniana izany, toy ny teny maro hafa ao amin’ny Baiboly.

Soa fa hisy „fitsanganana ho fiainana”, aloha (Jaona 5:29). Tsy hoe ho an’ireo izay tsara kokoa noho ny hafa, fa ho an’ireo izay manao ny lazain’Andriamanitra hoe : „Raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao, ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao” (Romana 10:9). Tsy hiharan’ny fitsarana farany izy ireo. Mino izany aho, ary ianao ?

(tapitra)