Alatsinainy 12 Aogositra 2024

Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona, sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra. 1 Timoty 2:5-6

 

Tetezana mampifandray an’Andriamanitra sy ny olona

Ny tetezana dia mampifandray toerana roa nisaraka hatramin’izay. Fahagola dia efa nanorina tetezana ny olona. Indraindray isika, any ambanivohitra any, mahita ankizy ho any an-tsekoly, miampita riandrano mahery eo amina tetezana tady, ary mampatahotra antsika izany. Satria ny asan-tanan’ny olona dia tsy manan-toetra maharitra, ary mety ho simba. Nampahatsiaro mafy izany antsika ny nirodanan’ny tetezana Morandi any Genova (Italia), tamin’ny 14 aogositra 2018.

Andriamanitra dia nametraka tetezana mampifandray Azy sy isika, tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Tapaka ny fifandraisantsika tamin’Andriamanitra, noho ny ota tany am-piandohana ; nefa tiany naverina io, noho ny fitiavany, ka nirahiny ny Zanany, Ilay hany Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia „Kristy Jesosy, Izay… nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra” (1 Timoty 2:5-6).

Eo amin’Andriamanitra, io fifandraisana io dia mafy, tsy mety rava, satria Izy no nanorina azy, fa tsy olombelona. Jesosy no nanefa ny sarany. Ny ainy natolotra, ny rany latsaka teo amin’ny hazofijaliana, no manadio izay mino, ho afaka amin’ny fahotana rehetra. Koa amin’ny alalan’i Jesosy dia antsointsika hoe Raintsika Andriamanitra : fifandraisana mahatalanjona, tokony hiainana dieny ankehitriny !

Eo amintsika indray, ny andraikitsika voalohany dia ny manaiky an’i Jesosy ho Mpamonjy, ho hany tetezana mampifandray antsika amin’Andriamanitra. Ny andraikitsika faharoa dia ny mihazona tsy hisy sakantsakana ny fifandraisantsika aminy, Izay Raintsika, amin’ny alalana fitaovana roa napetrany eo am-pelatanantsika, dia ny Baiboly, izay itenenany amintsika, sy ny vavaka ; satria „Izy (Jesosy Kristy) no ananantsika… fanatonana amin’ny Fanahy iray, ho any amin’ny Ray” (Efesiana 2:18).