Talata 13 Aogositra 2024
(Hoy Jesosy :) Ary hisy horohorontany lehibe ary mosary sy areti-mandringana any amin’ny tany samihafa, ary hisy zava-mahatahotra sy famantarana lehibe avy any an-danitra. Lioka 21:11
Amin’ny fanginana sy ny fatokiana no hisian’ny herinareo. Isaia 30:15
Tany Charleston, any Etazonia, indray andro dia nisy horohorontany namoha mandry ny mponina. Tao amina trano iray dia nampialofana ireo zaza sy tanora nangovitra noho ny tahotra, fa ny reniny kosa dia tony. Nanontany azy ny zanany iray hoe :
— Tsy matahotra ve ianao ?
— Tsia, hoy izy namaly, sambatra aho mahafantatra fa manana Ray Izay Andriamanitra mahery afaka manozongozona na ny tany aza.
Mety hampihorohoro ireo loza voajanahary sy fikorontanana lehibe eo amin’ny toetrandro. Miezaka ny mpahay siansa hanazava ireo sy hamantatra ireo mialoha, mba hifehezany ny vokany. Ho antsika kristiana, ny tokintsika dia ao amin’Andriamanitra. Ny Baiboly dia mitatitra fotoana maromaro nampihovitrovitra ny tany, anisan’izany ny fotoana nahafatesan’ny Tompo Jesosy sy ny nitsanganany velona indray (Matio 27:51 ; 28:2). Andriamanitra dia miteny amin’ny olona amin’ny alalan’ny loza mitranga, na taloha na ankehitriny, ary manambara ireo izay ho avy ao anatin’ny faminaniana.
Andriamanitra no Tompon’izao tontolo rehetra izao, ary tia ny voariny Izy. Mampitandrina azy ireo Izy fa hifarana tsy ho ela ny andron’ny fahasoavany, ary ho avy ny andron’ny fahatezerany.
Ny fahasoavany dia mbola manolotra ankehitriny ny famelan-keloka ho an’ireo rehetra mino ny Zanany. Tonga Izy ho faty teo amin’ny hazofijaliana, mba hamafa ny fahotan’izao tontolo izao. Hoy Izy amin’ny olona izay mialoka eo aminy : „Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra, ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao ny famindrampoko” (Isaia 54:10).
Ianao ve mba efa nisafidy ny hialoka eo amin’Ilay Kristy, Mpamonjy izao tontolo izao… ? Mpamonjinao raha mino Azy ianao.