Alarobia 14 Aogositra 2024

Hamindra fo amintsika indray Izy (Andriamanitra) ka hanitsakitsaka ny fahotantsika —eny, harianao ho any amin’ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra. Mika 7:19

Na amin’inona na amin’inona no anamelohan’ny fontsika antsika… Andriamanitra lehibe noho ny fontsika ka mahalala ny zavatra rehetra. 1 Jaona 3:20

 

Jono voarara !

Corrie ten Boom (1892-1983) dia natao sesitany tany Ravensbrück, satria nanafina Jiosy niaraka tamin’ny fianakaviany. Taorianan’ny ady dia nanambara betsaka ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra izy, efa namela heloka ny iray tamin’ireo mpiambina ny toby tao Ravensbrück, izay nampijaly azy.

Ny sarisary tiany indrindra ilazany ny fahotana voavela dia ny sarisarin’ny fahotana nariana tany anaty ranomasina. „Rehefa miaiky ny fahotantsika isika, hoy ny nosoratany, dia arian’Andriamanitra any amin’ny faran’izay lalin’ny ranomasimbe izany, ary tsy hita intsony… Mino aho fa amin’izay Andriamanitra dia manangana takelaby eo, misy soratra hoe : „Jono voarara”.”

Eny, rehefa mamela ireo fahotantsika Andriamanitra, dia avelany tanteraka ireo ! Tsy mila manatsinkafona indray ny zava-dratsy nataontsika isika, amin’ny fanamelohantsika tena tsy an-kijanona. Ndao handray ny famelan-keloka atolony sy ny fahasoavany lavorary, hanopy ny masontsika eny amin’ny hazofijaliana izay tsy nitsimbinan’Andriamanitra ny Zanany, fa nampitondrany Azy ny famaizana sahaza antsika. Raha mametra ny halehibe sy halalin’ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra isika, dia manombina ny lanja tsy misy fetran’ny sorona nataon’i Kristy.

Raha mety mbola hanana fisalasalana ianao, henoy Izy miteny aminao amin’ny alalan’ny feon’ny mpaminany hoe : „Avia àry hifandahatra isika, hoy Jehovah : Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny orampanala” (Isaia 1:18).

Raha toa isika mihitsoka ao anatin’ny henatra sy ny fiheveran-tena ho tsy mendrika, dia tsy hanana ihany koa ny fahafahana ametrahan’ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra antsika, mba hanompoantsika Azy amin’ny fo manontolo. Ndao àry hangataka an’Andriamanitra hanampy antsika hino tanteraka ny famelan-keloka atolony. Tsarovy fa nariany any amin’ny fanambanin’ny ranomasimbe ny fahotanao !