Alakamisy 15 Aogositra 2024
Ilay zanany nanao taminy hoe : Raiko ô, efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho, ka tsy mendrika hatao hoe zanakao intsony. Fa rainy kosa nanao tamin’ny ankizilahiny hoe : Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy ; ary asio peratra ny tànany sy kapa ny tongony. Lioka 15:21-22
„Nisy lehilahy anankiray nanana zanaka mirahalahy”. Izany no fiantombohan’ilay tantara mahafinaritra notantarain’i Jesosy mba hilazany amintsika ny fitiavan’Andriamanitra, izay fitiavan-dRay (Lioka 15:11-32).
Nandao ny tranon-drainy ilay zandriny, rehefa avy nitaky ny anjara lovany, nefa mbola velona ny rainy ! Hanosi-bohon-tanana azy ve ny rainy na hanome tsiny azy, rehefa niverina tao an-tranon-drainy izy, noana sy nahantra ? Tsia, niandry azy ny rainy ary nandray azy teny an-tsandriny. „Raiko ô, hoy ilay zanany, tsy mendrika intsony aho”. Tsapany fa very ny fahamendrehany ho zanaka. Fa ny rainy kosa dia nanolotra azy marika telo momba io fahamendrehana io : ny akanjo tsara indrindra, mariky ny maha zanany azy, ny peratra teny amin’ny tanany, mariky ny fifandraisana, ary ny kapa, mariky ny fahafahana.
Na mpino isika na tsia, dia mahakasika antsika izao tantara izao. Na kristiana aza isika, dia mety handao ny fanatrehan’ny Ray. Rehefa manalavitra an’Andriamanitra isika, dia tsy miaina intsony ny fahamendrehana amin’ny maha zanak’Andriamanitra antsika.
Inona no manalavitra antsika aminy ?
— ny faniriantsika hiaina irery, tsy misy an’Andriamanitra ;
— ny finiavantsika hifehy ny zavatra rehetra ;
— ireo tahotra ao amintsika ;
— ireo fialamboly, izay rehetra mampihodina antsika amin’ny zavatra fototra.
Toa io zandriny io, dia ndao hiverina amin’Andriamanitra. Ireo fihetsiny eo amin’ny fandraisany, toy ilay ray ao anatin’izao tantara izao, dia ho tselatra fifaliana ao anaty fontsika mibebaka. Taominy isika anio mba hiverina aminy, hanaiky hofihininy, hahita indray ny famantarana ny maha zanaka antsika. Raisiny tsara isika miaraka amin’ireo tsy fahombiazantsika mbamin’ny fahadisoantsika, tsy omeny tsiny, satria tiany.
(rahampitso ny tohiny)