Zoma 16 Aogositra 2024

(Hoy Jesosy :) Dinihinareo ny Soratra Masina, satria… ireny no manambara Ahy. Kanefa tsy mety manatona Ahy ianareo, hanananareo fiainana. Jaona 5:39-40

 

Tsy nety hiditra izy (2)

Ao amin’„ny fanoharana momba ny zanaka adala” (Lioka 15:11-32) dia nisy zanaka iray hafa resahina : ilay „zanany lahimatoa”. Izy dia tsy mba nitaky ny anjara lovany toy ilay zandriny, izay nandany izany tany an-tany lavitra ka niaina tamin’ny fiveloman-dratsy. Nijanona teo amin’ny rainy izy, ary nanompo azy nandritra ny taona maro.

Mendrika ny fitondrantenany tetỳ ivelany… mandra-piverin’ny rahalahiny. Ary teo dia nipoaka ny hatezerany sy ny fangidiana ao am-pony. Marihintsika fa tsy niteny mihitsy izy hoe „ray” na „rahalahiko”. Tsy tao amin’ny fieritreretany intsony ireo rohim-pianakaviana ireo. Toy ilay rahalahiny ihany izy, mila ny famindrampo sy ny fitiavan’ny rainy.

Mety misy ireo fihetsika ireo ao am-piangonana. Vokatry ny tsy fahampiana na tsy fisiana fitiavana na fifampikarakaran’ny mpirahalahy ve izany ? na avy amina fangidiana, fitsarana an-tendrony, lolompo, tsy fahamarinana manakana tsy hahatanteraka izay tokony hiainana ao an-tranon’ny Ray ?

Mba hahafaka antsika amin’ny fatorantsika, na ny fatoran’ilay zandriny na ny an’ilay zokiny, dia mila mino ny fitiavan’Andriamanitra antsika isika, ary mino fa tsy misy na inona na inona mendrika antsika, na dia mihevitra ny tenantsika ho tsy ratsy noho ny hafa aza isika.

Mariho ny fomba nanatonan’ilay ray ny zanany tsirairay sy nanehoany ny fitiavany, mba hidiran’izy ireo ao an-tranony sy hamelany any ivelany izay tsy sahaza ny fanatrehany. Ny tranony dia ny toerana igohana ny fitiavany, esorina tsy ho ao ny loton’ny ota, soloina fiadanana ny fahatezerana, manjary ranomasom-pifaliana ny ranomason’ny famoizampo.

(tapitra)