Asabotsy 17 Aogositra 2024
Fa isika rehetra kosa, amin’ny tava tsy misarona, dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin’ny fitaratra, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra, avy amin’ny voninahitra ka ho amin’ny voninahitra, toy ny avy amin’ny Tompo, dia ny Fanahy. 2 Korintiana 3:18
Ny vavolombelona dia olona nahita na nahare zavatra iray, ary tokony hitatitra izany marina araka izay azony atao. Ny Tompo Jesosy dia mangataka antsika mba ho vavolombelony. Rehefa nino Azy isika dia maniry hizara amin’ny hafa ny fifaliantsika. Ny apostoly Jaona dia afaka niresaka izay nobanjininy sy henony, ary notsapain’ny tanany mihitsy aza (1 Jaona 1:1-3). Ny apostoly Paoly dia nahita sy nahare an’i Jesosy (Asan’ny Apostoly 9:3-6 ; 22:14).
Ary isika, mba nahita sy nahare ny Tompo Jesosy ve isika ? mba nibanjina Azy ve ? Tsy avela hosaintsainantsika fotsiny izany. Jesosy dia ambara amintsika ao amin’ny Baiboly ; koa ndao àry hitady tsara isanandro ao amin’ireo pejiny izay rehetra miresaka amintsika momba Azy, araka izay ampahafantarin’Andriamanitra antsika. Davida mpanjaka dia nangataka zavatra iray loha tamin’i Jehovah, ary nikatsaka fatratra izany : te „hitoetra ao an-tranon’i Jehovah amin’ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan’i Jehovah” sy hitady ny hahafantatra Azy (Salamo 27:4). Nitozo nikatsaka ny fanatrehan’Andriamanitra izy.
Izay hitan’ny olona eo amintsika dia manambara ny amin’i Kristy mihoatra noho ireo tenintsika, toa an’i Mosesy namirapiratra tarehy rehefa avy niresaka tamin’i Jehovah (Eksodosy 34:29). Izany dia fanehoana an’i Kristy ao amin’ny fomba fiainantsika manontolo. Rehefa hiverina ny Tompo dia hahita Azy isika, ary hitovy endrika aminy (1 Jaona 3:2). Nefa eo amin’ny fiainantsika ankehitriny dia iriny isika hiova tsikelikely, ho araka ny endriny, mba hanome taratra ny maha Izy Azy. Amin’izany isika no ho vavolombelona mahatoky.