Alahady 18 Aogositra 2024

Ary izay nandalo dia niteny ratsy Azy, sady nihifikifi-doha ka nanao hoe : Ry Ilay mandrava ny tempoly sy manangana azy amin’ny hateloana, vonjeo ny tenanao. Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, midìna hiala amin’ny hazofijaliana. Matio 27:39-40

Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao. Jaona 4:42

 

Mamonjy ny Tenany, sa mamonjy antsika (1)

Jesosy dia niaritra ny esoeson’ireo izay nandalo teo akaikin’ny hazofijaliana ary niteny hoe : „Vonjeo ny tenanao…, midìna hiala amin’ny hazofijaliana”. Naverin’izy ireo ny tenin’i Jesosy, saingy novainy. Tsy niteny Izy hoe handrava ny tempoly, fa kosa nilaza ny hitsanganany velona indray, izany hoe raha ravan’ny olona ny tenany, dia hatsangany amin’ny andro fahatelo. Nihantsy Azy ireo mpanaraby hoe : aoka Izy hamonjy ny tenany, fa tsy handalo fahafatesana. Tian’izy ireo holazaina amin’izany hoe raha mijanona eo amin’ny hazofijaliana Jesosy, dia mampiseho fa tsy Zanak’Andriamanitra. Nefa dia mijanona eo indrindra Izy, satria izany no sitrapon’Andriamanitra Rainy.

Ny drafitra famonjen’Andriamanitra dia mitaky ny handraisan’i Jesosy, eo amin’ny tenany, eo amin’ny hazofijaliana, ny fahotan’ny olona, mialoha ny hitsanganany velona indray sy hahatonga Azy ho Ilay Mpamonjy velona any an-danitra. Ireo mpanaraby ireo dia natosiky ny devoly, izay nanohitra izany drafitra izany. Rehefa nanambara tamin’ny mpianany ny Tompo fa ho faty, dia hoy i Petera : „Sanatria aminao izany, Tompoko ! Tsy ho aminao tokoa izany !” Avy amin’i Satana ny fihevitra toy izany (Matio 16:22-23).

Jesosy dia tsy maintsy ho Ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao (Jaona 1:29). Tsy maintsy „hovonoiny, ary rehefa afaka hateloana, dia hitsangana indray” (Marka 8:31 ; jereo ihany koa Lioka 24:46). Jesosy dia nivavaka hoe : „Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity ; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao” (Matio 26:39). Ny misotro izany kapoaka izany dia ny misolo antsika hizaka ny fitsaran’Andriamanitra ny ota. Ilay „Zanak’Andriamanitra” irery no afaka nanao izany, mba ho Mpamonjy izao tontolo izao.

(rahampitso ny tohiny)