Alatsinainy 19 Aogositra 2024
Dia naneso toy izany koa ny lohan’ny mpisorona mbamin’ny mpanora-dalàna sy ny loholona ka nanao hoe : Ny sasany novonjeny ; fa ny tenany tsy hainy vonjena. Mpanjakan’ny Israely Izy, aoka hidina hiala amin’ny hazofijaliana Izy ankehitriny, dia hino Azy izahay. Matio 27:41-42
Ny Ray efa naniraka ny Zanaka ho Mpamonjy izao tontolo izao. 1 Jaona 4:14
Nanaraby an’i Jesosy nihombo teo amin’ny hazofijaliana ireo miaramila : „Raha Ianao no Mpanjakan’ny Jiosy, vonjeo ny tenanao” (Lioka 23:37). Ireo jiolahy roa lahy niara-nohomboana taminy dia niteny ratsy Azy (Matio 27:44). Niova fihetsika ny iray tamin’ireo, fa ny iray kosa nilaza hoe : „Tsy Ianao va no Kristy ? vonjeo ny tenanao sy izahay” (Lioka 23:39).
Ireo lohandohany ara-pivavahana dia nilaza fa raha midina ny hazofijaliana Jesosy dia hino azy izy ireo. Avy eo dia nihantsy an’Andriamanitra mihitsy izy ireo hoe : „Natoky an’Andriamanitra Izy, aoka Izy hamonjy Azy ankehitriny, raha ankasitrahiny Izy” (Matio 27:43). Tamin’izany faniratsirana izany no nanatanterahan’izy ireo ny teny faminaniana hoe : „Izay rehetra mahita ahy dia manaraby ahy ; manondro molotra izy sady mihifikifi-doha ka manao hoe : Ankino amin’i Jehovah, dia aoka Izy hamonjy azy ; eny, aoka Izy hanafaka azy, raha mankasitraka azy Izy” (Salamo 22:7-8).
Nahoana moa Jesosy no tsy tia namonjy ny tenany ? Satria tonga mba hamonjy ny hafa Izy. Nilaina ny sorona nataony. Nivavaka ho an’ireo nanombo Azy teo amin’ny hazofijaliana Izy, hoe : „Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony” (Lioka 23:34). Nifanohitra tanteraka tamin’ny fanarabian’ireo nanodidina Azy ! Izy tokoa no „Ilay Mpanjakan’ny Israely”, „Ilay Zanak’Andriamanitra”, Tsitoha, Mpahary ireo olona niteny ratsy Azy (jereo Hebreo 1:2-3). Nefa dia nijanona teo amin’ny hazofijaliana Izy, ary nangina.