Talata 20 Aogositra 2024
Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy. Isaia 59:2
Raha mandeha eo amin’ny mazava isika… ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra. 1 Jaona 1:7
Rehefa nanota i Adama tao an-tsaha Edena, dia niafina avy hatrany nony nahare ny feon’Andriamanitra (Genesisy 3). Andriamanitra tsy nanontany azy hoe : „Ry Adama, inona no nataonao ?” fa hoe „Ry Adama, aiza ianao ?” Ny tsy fankatoavan’i Adama dia nahatonga azy hatahotra ny fanatrehan’Andriamanitra. Ny fahotantsika tokoa mantsy no mampisy fisarahana eo amin’Andriamanitra sy isika. Tia antsika Izy, saingy maharikoriko Azy ireo fahadisoantsika. Mba hahafahan’Andriamanitra mitaona antsika hanatona Azy, dia tsy maintsy esorina ny fahotantsika. Na ireo vavaka, na ranomaso, na fombafomba, na fanomezan-toky hanao tsaratsara kokoa, dia tsy afaka hamafa ireo laingantsika, teny mahery natao, fanaratsiana, asa ratsy, fihevitra manidintsidina nokolokolointsika.
Inona no tokony hataontsika raha nanota isika ary mahatsapa ho lavitra an’Andriamanitra ? Mitodika aminy, am-patokiana ary ao amin’ny fahazavan’ny fanatrehany, miaiky aminy ny maha isika antsika, mino fa „ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra” (andinin-tSoratra Masina etsy ambony).
„Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy, ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra” (1 Jaona 1:9). Raha miaiky ireo fahadisoantsika isika, ary mibebaka noho ny amin’ireo, dia foana izay nampisaraka antsika tamin’Andriamanitra. Rehefa tonga amin’io dingana io isika dia tsy tokony hiasa saina hoe manana na tsy manana fiadanam-po, fa hiantehitra fotsiny amin’ny Tenin’Andriamanitra, Ilay Andriamanitra mahatoky, Ilay Andriamanitra tsy mahay mandainga.
„Fa Ianao, Tompo ô, no tsara sady mamela heloka ary be famindrampo amin’izay rehetra miantso Anao” (Salamo 86:5).