Alarobia 21 Aogositra 2024

Ary hoy izy (ilay jiolahy iray nohomboana niaraka taminy) : Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin’ny fanjakanao Ianao. Dia hoy Jesosy taminy : Lazaiko aminao marina tokoa : Anio no hihaonanao amiko any Paradisa. Lioka 23:42-43

 

Mibebaka

„Ny hoe mibebaka dia miaiky ny fahotana nataon’ny tena, miala amin’izany toy ny miala amina zavatra ariana. Ny fibebahana dia midika fisarahana sy faniriana„tsy hamerina intsony”. Io fisarahana io no ahafahan’Andriamanitra mamafa ny fahotana sy mamela heloka ny mpanota.

Manana ohatra miavaka momba izany isika, amin’ilay jiolahy nibebaka teo amin’ny hazofijaliana. Io jiolahy io dia tsy niray hevitra intsony tamin’ilay namany („Moa ianao koa tsy matahotra an’Andriamanitra ?”), ary niaiky ny fahotany (marina ny anamelohany antsika), nanaiky ny maha Izy Azy an’i Jesosy (Mpanjaka Izy ary tsy manana ota), ka niantso vonjy taminy („Tsarovy aho”). Teo no ho eo ihany ny valintenin’i Jesosy : „Anio no hihaonanao amiko any Paradisa” (Lioka 23:39-43).

Ilay jiolahy iray kosa dia manompa an’i Jesosy : „Tsy Ianao va no Kristy ? vonjeo ny tenanao sy izahay !” Toa misy marina ihany izany teny izany, raha zohina… Nefa namaly azy ve Jesosy ? Tsy niteny Izy. Nahoana moa ? Tsy nijaly angaha io lehilahy io ? Tsy teo am-baravaran’ny mandrakizay ve ? Tsy tia ny mpanota ve Jesosy ? Nahoana Izy no nangina ?

Heveriko fa izao no valin’izany : tsy niala tamin’ny otany io lehilahy io. Iray ihany izy sy ny otany. Ilay jiolahy iray dia meloka ihany koa, saingy niala tamin’ny otany. Ny fihetsik’i Jesosy, tamin’io fotoana tena miavaka nihomboany teo amin’ny hazofijaliana io, dia ahafahantsika miteny hoe : Halan’Andriamanitra ny ota, nefa tiany ny mpanota. Koa raisiny izay olona mibebaka sy mitodika am-pinoana amin’i Jesosy.”

Charles N.